- Publicité -
dimanche, octobre 26, 2025
AccueilFaits-DiversGadran’Antanimora : Nisy nafindra maika amin’ny fonja hafa

Gadran’Antanimora : Nisy nafindra maika amin’ny fonja hafa

Amin’ny alim-be no nofohazina ary nasaina nampirin’entana maika. Izany no nahazo ireo voafonja sasany tao Antanimora. Nampiakarina fiara izy ireo ary naparitaka tamin’ny fonja maromaro, isan’izany Arivonimamo. Tsy nisy ny fanazavana ofisialy momba izany fa ny havan’izy ireo no anio vao nahafantatra avokoa raha nanati-bary toy ny mahazatra ary teo vao lasa nitsoriaka haingana namonjy ny fonja vaovao nitondràna ny olona. Raha ny fahazoana azy dia fepetra noraisina manoloana ny tahotra sao hisy hamaky ny fonjan’Antanimora, amin’izao vanim-potoana mafana izao. Etsy ankilan’izay koa, tafiditra ao anatin’ny làlana tsy maintsy hizorana tanteraka Antanimora ho an’ireo mpitokona izay miala avy any Ankatso. Eo indrindra no mety ho nampanahy ny tompon’andraikitra ka nanisahana maika ireo voafonja manodidina an’Antananarivo. Mazava hoazy fa mitombo ny fahasahiranana ho an’ny havan’ny voafonja izay voatery mandeha taxi-brousse indroa isan’andro izany amin’ny fanateram-bary, raha tsy izany dia mionona amin’ny « gagazo » ny olona. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia toa mba nanampy an’Antanimora hiaina kely ihany ity fanapahan-kevitra ity, efa tsy mifanaraka amin’ny isan’ny gadra intsony mantsy ny fotodrafitr’asa. Na izany aza, tsikaritra fa tena manahy mafy ity hetsika GEN’Z ity avokoa ny sehatra maro, indrindra ireo miankina amin’ny fanjakàna.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici