- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversGalana Ankorondrano : Voatafika tao anatin’ny fety ny fivarotan-tsolika

Galana Ankorondrano : Voatafika tao anatin’ny fety ny fivarotan-tsolika

Manodidina ny tamin’ny valo ora alina no nitranga ny fanafihana. Roa lahy izay nandeha scooter ary nitondra basy no tompon’antoka. Nambanan’izy ireo ny fitaovam-piadiany teny aminy ny « pompiste » roa ary noterena hanome ny vola rehetra. Tsy nionona tamin’izay fa mbola norobaina koa ny mpamily ireo fiara telo izay saika haka lasantsy teo ka nilahatra. Nambanana basy dia nalaina ny vola teny amin’izy ireo. Vita izay dia niditra indray tao amin’ny trano izay sady birao no fivarotana entana ireo jiolahy. Mbola lasan’izy ireo koa ny vola teo amin’ny « caisse ». Tao anatin’ny fotoana fohy no nanatontosan’ireo olon-dratsy izany fanafihana izany. Ny olona nisomebiseby nitondra ny fianakaviany nanao harendrina ary izy ireo kosa nanararaotra nanao ny fandrobàna. Poa toa izay dia nanjavona teo amin’ilay toerana. Raha ny fanamarihana azo dia tsy nanao saron-tava ireo tompon’antoka. Toy ny fivarotan-tsolika rehetra dia azo heverina fa misy « vidéosurveillance » mipetaka eo amin’io toerana io. Mety hanampy betsaka amin’ny fahafantarana ny jiolahy izany noho izy ireo tsy nisy saron-tava. Isan’ny toerana betsaka mpiambina Ankorondrano kanefa isan’ny be mpanendaka koa. Izao indray aza dia efa tonga amin’ny fandrobàna mitam-basy ny zava-misy. Tsy atahoran’ny jiolahy mihitsy izany ny fisian’ireo mpiandraikitra fiambenana. Nidina teny an-toerana ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny alin’ny nitrangan’ny fanafihana, ary nanontany ny tena fandehan-javatra. Mifantoka betsaka amin’ny fanadihadiana ny olony ankehitriny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici