- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-Divers« Gare routière » Andohatapenaka : « Guichetier » tratra nangarom-paosy

« Gare routière » Andohatapenaka : « Guichetier » tratra nangarom-paosy

Mpamosavy malemy. Lehilahy mpiasa amina « guichet » iray etsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse etsy Andohatapenaka no voasambotry ny pôlisy, ny faran’ny herinandro lasa teo noho ny  harom-paosy teny an-toerana. Namany mpiara-miasa tao ihany no lasibatra tamin’io fotoana io. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisy, dia nisy fivoriana ireo mpiasa tao tamin’io sabotsy io, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tao. « Rehefa vita ny fivoriana dia nisy ireo mpiara-miasa aminy niresaka teo ivelan’ny birao. Raha varian-dresaka teo ireo namany dia novahany moramora ny sakaosin’izy ireo ka lasany ny vola tao anaty kitapo » hoy ny vaovao. Nametraka fitairanana avy hatrany tamin’ny mpitandro filaminana ireo lasibatra. Natao avy hatrany ny fanadihadiana. Hita tamin’ny alalan’ny « camera » tao an-toerana fa lehilahy mpiara-miasa amin’izy ireo ihany no olon-dratsy. Nosamborina avy hatrany moa ity farany ary nentina nofotorana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici