Avy any amin’iny faritra Alaotra iny ireto paraky gasy tsy ara-dalàna ireto, izay nokasaina nentina tany Mahajanga, ary dia izao tra-tehaka izao. Lehilahy roa no voatazon’ny pôlisy sy atao famotorana.
Amin’ny maha toerana fiantsonan’ny taxi-brousse ny faritra Antohomadinika iny dia mifamezivezy ao koa ny olona avy any amin’ny toerana maro. Ahitana ireo mpanao asa ratsy isan-karazany toy ny mpanendaka sy ireo mpitondra entana tsy mazava eny an-toerana. Misy foana araka izany ny fisafoana andro aman’alina ataon’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Ny talata vao mangiran-dratsy teo ary dia nidina ifotony teny an-toerana ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra etsy Isotry, rehefa nahazo angom-baovao fa misy lehilahy roa mampiahiahy mitondra entana maromaro tsy dia mazava loatra. Tra-tehaka tamin’ny taxi-brousse avy any Ambatondrazaka vao tonga mihitsy moa izy roa lahy ireto ary natao ny fisavàna ny entana. Paraky gasy mbola raviny no hita tao. Natao nifatratra tsara tao anaty gony miisa 12 izay samy milanja 60 kg avy izany paraky gasy izany. Entana izay marihana fa tsy nisy taratasy fahazoan-dalana. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy izy ireo natao famotorana. « Fantatra araka izany fa paraky avy any amin’ny faritra Ambato ireo entana ireo ary entina amidy any amin’ny faritra Mahajanga. Mpamboly izany paraky izany ny asan’ny izy ireo ary hamidin’izy ireo hotsinjaraina any amin’ny faritra Mahajanga izany », hoy ny vaovao. Nogiazana avy hatrany kosa ireto paraky gasy an-jatony kilao ireto.
m.L


