- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-Divers« Gare routière » Tanambao V Toamasina : Saron’ny polisy ilay rangahy...

« Gare routière » Tanambao V Toamasina : Saron’ny polisy ilay rangahy sefoben’ireo mpangalatra entan’olona

Ela nitoratorahana ity rangahy lehiben’ny mpangalatra entan’olona ao amin’ny « Gare routière » Tanambao V Toamasina ity no niafarany. Ireo mpividy entana vao tonga amin’ny taksibrosy  avy any  Antananarivo no tena lasibatr’ izy ireo mandritra izany, ary mazana mora noho ireo posy hafa ny fanofana posy mitondra entana amin’izy ireo. Raha ny fanazavana izay nohamafisin’ity rangahy sefoben’ny mpangalatra ity, fa teren’izy ireo tsy maintsy posy roa no alaina ho an’ireo mpivarotra mpitondra entana ireo. Mandritra izany dia ilay posy mitondra entana no mandeha aloha, manaraka avy ao aoriana ilay posy mitondra ny tompony. Lasa metatra vitsivitsy dia manao tsy afaka ilay mpitondra ny tompon’ny entana, ary milaza amin’ny mpanjifany fa simba ny posiny ka tsy maharaka ilay posy mitondra ny entana. Mandritra izay anefa, dia efa mivily làlana sy manjavona ilay posy eo aloha misy ny entana. Toy izay no nahazo ireto mpivady mpividy entana ka mamarotra izany any Maroantsera ity, izay tsy sambany fa efa matetika izy ireo no tratran’izany, saingy tamin’ity entana ity dia mitentina 4.000.000 ariary ny sandany. Hatramin’izay anefa raha nitaraina tamina mpitandro ny filaminana izy ireo, dia tsy mety hita ireo mpangalatra, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia saron’ny kaomisarian’ny boroborintany faharoa Tanambao II ny sefoben’ity mpangalatra ity. Tsy nandà ny heloka vitany ilay rangahy ity, saingy nilaza kosa fa efa namidin’izy ireo taman’olona avokoa ireo kojakoja avy nangalariny ireo , ka eo am-panarahan-dia izany ny polisim-pirenena eto Toamasina .

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici