Amin’izao asaramanitra izao dia tsy diso anjara ireo beantitra sy kilemaina ary ireo vahoaka sahirana manerana ny faritra maro teto Madagasikara, satria nahazo fanampiana avy amin’ny orinasa La Gastro Pizza. Fanomezana maro, toy ny vary menaka, siramamy, savony, vatomamy ary nofon-kena mitam-pihavanana no nozaraina tamin’izany. Tany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy no nanatanterahana ity hetsika ity, fanampiana izay efa fanaon’ny La Gastro Pizza isaky ny vanim-potoanan’ny fety tahaka izao. Ankoatra ireo olona sahirana an-jatony,izay nahazo ireo fanampiana ireo dia isan’ny nomena ny anjara tandrify azy avy ihany koa ny mpiasa rehetra tao amin’ity orinasa malagasy ity. Hetsika efa fanao mahazatra efa an-taonany maro moa izao ary mbola hitohy hatrany isaky ny fety, ka hitombo hatrany ny faritra hotetezina sy ny isan’ny olona hahazo izany.
Aina R.