- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversGasy tavela any Inde : Mangataka fodiana maika an-tanindrazana

Gasy tavela any Inde : Mangataka fodiana maika an-tanindrazana

Tsy fisintomana ny lakolosy fanairana intsony fa fangatahana mivantana ny tokony hodian’izy ireo maika an-tanindrazana, satria lasa miady aman’aina. Izany no antso nataon’ireo Malagasy izay tavela any Inde ankehitriny noho ny fikatonan’ny sisin-tany. « Nisy ny fampanantenana avy amin’ny ny fitondràna ary hita izany tamin’ny fampitam-baovao zay navoakan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny, ny 06 jona 2020. Izany dia mahakasika ny filazàna fa hametraka haingana araka izay azo atao ny rafitra sy rindran-damina hahafahana mampody anay noho ny fanelingelenana sy ny fahasahiranana iainana aty», raha araka ny fanazavan’ny solontenan’ireo voakasika. Velom-panantenana ihany izy ireo raha nahita ireo Malagasy izay tavela tany Koweit ka nisitraka ny  fampodiana tamin’ny fiaramanidina manokana ny 08 jona teo. Na izany aza anefa dia mampanahy ireo Malagasy tavela any Inde ny tsy fitohizan’ny resaka intsony efa ho telo herinandro taty aoriana. « Noho izany rehetra izany dia angatahinay ny fanafainganana ny fampodiana anay izay aty Inde. Marihina fa tonga taty mba hitsabo tena no anton-dian’ny maro. Miaina fahasahiranana mafy izahay satria tsy maintsy mipetraka amin’ny hotely ary mividy sakafo isan’andro na dia efa lany vola be tamin’ny fitsaboana natao aza. Vatsy roa volana no netin’ireo olona kanefa efa ho efa-bolana izao no raikitra any an-tanin’olona noho ny fanakatonana ny sisin-tany », hoy hatrany izy ireo. Amin’ireo olona dia maro no tonga tany Inde mba hatao famindràna taova. Tao koa ny fisian’ny vehivavy nitondra vohoka izay nanatrika ny fitsaboana ny vadiny tany. Noho ny tsy fahafahany nody ara-potoana an-tanindrazana anefa dia teraka tany. Miady aman’aina ankehitriny ireo olona satria miakatra isan’andro ny tahan’ny karàna voan’ny coronavirus ary tsy vitan’izany fa ireo Malagasy tavela any dia saika ireo marefo ara-pahasalamana avokoa (vao avy nodidina sy namindràna taova toa ny voa) ary mora andairan’io valanaretina io. « Mba avoty izahay. Ekenay izay fepetra rehetra takian’ny fanjakana malagasy aminay momba ny fampodiana anay any Madagasikara. Mba avoty izahay… » hoy izy ireo namaràna ny fangatahany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici