Nangataka fanemorana ny orinasa Galana izay nitory ny talen’ny famoahan’ny gazety Basy vava no sady Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Gérard Rakotonirina. Nisy ny didy savaranonando izay navoakan’ny fitsarana dia ny fanemorana ny fotoam-pitsarana amin’ny 9 jiona hoavy izao. Izany dia taorian’ny fangatahan’ny orinasa Galana izay mpitory. Raha tsiahivina dia niainga tamin’ny lahatsoratra navoakan’ny gazety voakasika no anton’ny fitoriana ny lehiben’ny famoahana ho nanala-baraka ilay orinasa. Fitaterana ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon-dRatafika William ihany anefa no nataon’io gazety io, toa ny haino aman-jery izay tonga maro teo ihany koa. “Tamin’ny 28 martsa 2014 no nipetraka ny fitoriana ahy, nefa ny 18 novambra vao nisy ny fanadihadiana nisokatra ary izany dia teo ampovoan’ny fotoan’ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety”, raha araka ny fanazavan’ny voatory. Na tsy nanambara mivantana aza izy dia mazava hoazy fa mitory ny fanahiany ho misy ambadika ity raharaha ity. Nahoana ny novambra vao nohenoin’ny mpanao fanadihadiana izy, kanefa ny martsa no nipetraka ny fitoriana? Amin’ity raharaha ity ihany koa dia voalaza fa tsy hita izay nanjavonan’ilay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ka niteraka ny fitoriana, hany ka lasa any amin’ny gazety izay namoaka indray izany no mifatratra ny rihatra…
D.R





