Tsy niandry ela fa omaly ihany dia efa nampiakarina tetsy amin’ny fitsarana ireo telo lahy izay nosamborina ary notazomina tany amin’ny biraon’ny zandary sy tany Antanimora noho ny fanohintohinana filaminam-bahoaka nandritra ny hetsika tetsy Ambohijatovo sy Analakely ny asabotsy lasa teo. Sazy mihantona enimbolana no azon’ny roa, isan’izany ilay mpikamban’ny kongresy tamin’ny andron’ny tetezamita farany teo. Fahafahana madiodio kosa noho ny tsy fahampiain’ny vesatra sy ny porofo no azon’ilay fahatelo farany. Izy io dia ilay lehilahy mpanao fitombokase etsy amin’ny tohatoha-baton’Antaninarenina. Nilaza ho leo be ny tenany mahita ny gidragidra lava eo Analakely ary nanapa-kevitry ny saika hampiseho ny tsy fifaliany. Kinanjo nanaraka hatramin’ny ratsan-tanany.
D.R