- Publicité -
jeudi, janvier 1, 2026
AccueilFaits-DiversGidragidra nandritra ny “tsaboraha” : Raim-pianakaviana iray maty, 7 hafa miady amin’ny...

Gidragidra nandritra ny “tsaboraha” : Raim-pianakaviana iray maty, 7 hafa miady amin’ny fahafatesana

Iray amin’ireo maratra mbola tsaboina any amin’ny hopitaly
Iray amin’ireo maratra mbola tsaboina any amin’ny hopitaly

Raikitra ny sakoroka nandritra ny “tsaboraha” nataon’ireo fianakaviana iray tao amin’ny fokontany Atsiranandro Vavatenina, ny zoma 13 novambra teo. Vokany: raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano noho ny daroka sy tsindron’antsy nahazo azy, fito kosa ireo mbola mandalo fitsaboana noho ny ratra mafy nahazo azy ireo, ka ny enina tena atahorana ny aina ary nalefa haingana tsaboina ao amin’ny Hopitaly ben’i Toamasina, raha ao amin’ny hopitalin’i Fenoarivo atsinanana kosa ny iray tsy dia naninona loatra no nomena fitsaboana. Raha ny fanazavana azo dia lonilony efa niangona an-taonany tamina resaka ady lova, no nahatonga izao sakoroka nandritra ny “tsaboraha” izao, ka efa nomanina ny fifamonoana nandritra ity fetin-drazana ity. Io fanazavana azo io ihany no nahalalana fa, ny tsy fierana tamin’ireo valala mpiandry fasana tamin’ny fanaovana ity tsaboraha ity no niteraka ny olana. Nisy ny fanambaniana nitranga ka nahatezitra ireto andiana tanora tao anatin’ny fianakavian’izy ireo ihany niady tamin’ireo havany. Nandritra ny alim-pandihizana (tsimandrimandry) fiandrasana ny tena fety ny ampitson’io tokony tamin’ny 10ora alina no nitrangan’ny fifampidarohana tamin’ny hazo sy fifanindronana antsy, ka niteraka ireo faharatrana sy fahafatesana ireo. Nisy koa anefa ny fangalaran’ireto andian-jatovy ny fianakaviana ireto ihany koa ny vola voaangona nandritra ity alim-pandihizana ity nandritra izany. Efa mandeha ny fanadihadiana mikasika ny raharaha izao, satria nitory ireo havany ireto fianakaviana ireto, noho resaka vono olona sy ratra niniana natao, ka efa nisy ny fanadihadiana ataon’ny zandary Vavatenina sy ny tao Fenoarivo atsinanana mahakasika ny zava-nitranga.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici