- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversGovernora ny faritra atsinanana : Nanao fitsidiham-paritra tamin’ireo kaominina saro-dalana

Governora ny faritra atsinanana : Nanao fitsidiham-paritra tamin’ireo kaominina saro-dalana

Hazakazaka arahin-tosika ny fampandrosoa aty amin’ny faritra atsinanana amin’izao, natao izany mba hanatrarana ny veliran’ny filoha tamin’ny vahoaka, hoy Atoa Rafidison Richard Théodore governora ny faritra atsinanana, raha nanatateraka ny fitsidiam-paritra tao Mahanoro. Ny tao Mahanoro tampon-tanana dia nisy ny fanolorana aron’akanjo sy harato nataon’ireo mpanarato nataon’ny governora ny faritra atsinanana; nisy koa fanolorana simenitra 50 lasaka tao amin’ny sekolin-dry masera “Notre Dame de la Paix” noho ny governora isan’ireo maintimolaly ny sekoly.

Isan’ny notsidihan’ny governora koa ny kaominina tao Betsizaraina izay manana mponina miisa 38.024 izay miparitaka amin’ireo fokontany 12 misy any an-toerana. Ny fijerena ny fiatombohan’ny lalana rarivato 600m atao ao an-toerana no natao; teo koa ny fanolorana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay efa mandeha ankehitriny. Nisy koa ny fijerana ny famakiana lalana miainga ao amin’ny sampanan-dalana Managisy sy ny bakan’ny Mangoro izao mihazo ny fokontan’i Tratramarina ka tonga hatrany Androrangavola. Mirefy eo amin’ny 28km eo ny lalan-tany, hatreto no mifarana ny fiara ka mbola mandeha an-tongotra 26km vao tonga ao amin’ny kaominina Ambinanidilana izay mampisaraka ny faritra atsinanana sy ny faritra Alaotra-Mangoro izay nilatsahan’ny tavonin’ny governora ny faritra atsinanana Rafidison Richard Théodore. Raha ilay halavira-dalana 54km ity dia vahoaka miisa 87.524 no ahazo tombontsoa sy fokontany miisa 32 ihany koa. Tao anatin’ny lahatenin’ny governora ny faritra atsinanana Rafidison Richard Théodore, fa “tokony andray anjara amin’ny asa fampandrosoa ny vahoaka, hifanome Tanana amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanaovana ny asa tanamaroa amin’ny foto-drafitrasa atao, izay tsy vita amin’izany vao ampiasana ireo fitaovana nomen’ny fanjakana”.

Teo koa ny fijerana ny lalana mampitohy an’i Mahanoro sy Marolambo satria tena potika ity lalana ity amin’izao, ka ireo fiara be mahafaka lalan-dratsy aza mijaly mandeha aminy amin’izao. vokany dia an-tongotra no hanaovan’ny olona ny fitaterana ireo entana mihazo an’i Mahanoro sy mankany Marolambo. Raha ny fanazavana azo dia 1.000 ariary isaky ny kilao no mitondra entana ao Marolambo hatrao Ambinanidilana, nefa dia maharitra 7 hatramin’ny 12 ora an-dalana vao tonga, ny lehilahy matanjakana iray amin’izany tsy mahalasa entana afa-tsy 50 na 70kgs amin’izany. Aorian’ny fahatongavana ao amin’ny fokontany Androrangavola dia raikitra indray ny fitaingenana moto, izay mbola andoavam-bola 5.000 ariary isaky ny moto sy ny olona ny miampita amin’ilay tetezana tapaka. Tsy maha-kivy ny toy izao hoy ny governora ny faritra atsinanana satria ny fidinana ifotony toy izao no ahitana ny lesoka rehetra sy manarina izany, ka ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana ny taona 2022 no entina hanarenana ny ampahan-dalana 26km aloha.

Ankoatra izay dia nisitraka foto-drafitrasa tamin’ny filoham-pirenena namboarin’ny faritra atsinanana ity kaominina ity. Teo ny hazavana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, sy ny trano fianaran’ny Ceg izay manana efitra fianarana roa izay mahazaka mpianatra 100 eo, ka nanolorana ny fanalahidy tamin’ny ben’ny Tanana ao an-toerana ny 31 oktobra teo. Notokonana nandritra izao fitsidihana izao koa ny tsena vaovao any an-toerana, sy ny fametrahana samboady ireo lefitry ny ben’ny Tanana roa lahy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici