Ireo ray aman-dreny be izay ahitàna mpanjaka iray avy any amin’ny distrikan’i Vangaindrano no nanome ny tso-drano ary nanendry an’i Rasivindravalotry Oswaldo Claudio ho filohan’ny fikambanan’ny Grand Sud ao Toamasina. Mandritry ny efa-taona ny fotoana hitantanany ary ireo olo-be izay mivondrona ao amin’ny tranobe telo troky no nanao fanambaràna ampahibemaso nametraka azy amin’ny toerany. Nisy namoy ny fisian’ny fisaraham-bazana ho roa amin’ity fikambanana ity tato ho ato ary izay no antony nijoroan’ireo ray aman-dreny be mba entina hiadiana amin’izany tsaho izany. Nifandimby nitondra ity fikambanana ity ny zakaky ny distrika avy amin’ny Grand Sud saingy nisy olana izay nitranga tany amin’ny faramparany ary nitarika ny filoha tamin’izany fotoana niala tsy ho mpitantana. Tonga hatramin’ny fampiasàna hosoka mba hahazoana ny fankatoavan’ny fanjakana ny fijoroan’ny fikambanana. Izany olana rehetra izany dia naravin’ny olo-be ary nisy arak’izany ny famitranam-pihavanana teo amin’ny samy mpikambana. Na izany aza anefa dia nilaza ny hitory ihany ny fikambanana noho ny fisian’ny hosoka izay nampiasaina tany aloha tany. Amin’ireo olo-be mantsy dia fanimbazimbàna ny fomban-drazana sy fanitsakitsahana ny lalàna velona izany.
r.d