- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversGrenady : Mbola misy miparitaka maro

Grenady : Mbola misy miparitaka maro

Mitovy marika avokoa ireo grenady nampiasaina tamin’ny asa fampihorohoroana. Vita rosiana izy ireo ary tsy dia misy mifanalavitra ny laharana hita taminy na ny « lotissement ». Nanamafy ny lehiben’ny zandary eto Analamanga, fa tambajotra iray ihany no ao ambadiky ny fanapoahana grenady. Ny olona eo anivon’io no tompon’andraikitra tamin’ny fanipazana io fitaovam-piadiana io tetsy amin’ny fivarotan-tsolika Total tetsy Tsiazotafo (indroa miantoana). Mbola ireo ihany koa ny tao ambadiky ny fanipazana grenady teo amin’ny tranon’ny lehiben’ny komity manokana momba ny fifidianana (CES) tetsy 67ha  ary koa ilay iray nirefotra tao anaty trano tetsy Ambondrona. Ireo tranga ireo dia tamin’ny taon-dasa avokoa no niseho, raha tsiahivina kely. Olona roa raha totaliana no namoy  ainy vokatr’ity karazana asa fampihorohoroana ity. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny antony ary koa ny mpamatsy ireo fitaovam-piadiana. Ny hany fantatra dia tsy misy afatsy ny mpitandro ny filaminana raha ny tokony ho izy no afaka mampiasa grenady ary mazava izany fa mety avy eny anivon’ireny toby ireny indray no nisy namoaka an-tsokosoko. Dikan’izany dia mbola betsaka ny miparitaka any ary mety hiteraka korontana eto amin’ny firenena, indrindra eto an-drenivohitra, raha tsy voafehy haingana. Mila mandeha lavidavitra ny fanadihadiana ary efa fantatra rahateo ny “lotissement” an’ilay grenady izay hahafahana mamantatra ny niaviany. Ain’olona no latsaka ary inoana fa mba ho tratra avy amin’ny alàlan’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra amin’iny fanipazana grenady tetsy Anosy ka hihatra aminy ny lalàna mifandraika amin’izany. Momba ity fiparitahan’ny fitaovam-piadiana ity dia fantatra koa fa hiakatra anio eny amin’ny Fampanoavana ireo olona 25 izay voarohirohy ho tompon’andraikitra na koa vavolombelona tamin’ny famoahana bala tetsy amin’ny tobin’ny BANI. Ho hita manaraka ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser