- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversGrenady : Olona folo no efa nohenoina

Grenady : Olona folo no efa nohenoina

Nanao jeritodika momba ny asa fampandriana fahalemana vita tamin’ny taon-dasa ny Emmo-national omaly ary nasongadin’izy ireo tamin’izany fa tratra ny zava-dehibe tamin’ny tanjona napetraka. Tsy inona izany fa ny tsy fisian’ny korontana taloha na nandritra ary koa taorian’ny fifidianana. Voafehy amin’ny ankapobeny ny filaminam-bahoaka nandritra ny tetezamita, raha ny fanazavan’ny Jeneraly Ravalomanana, lehiben’ny Emmo-nat. Isan’ny voaresaka nandritr’io fotoana nihaonan’ireo lehiben’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana, na koa ireo mpisolo tena azy ireo, ny momba ilay raharaha grenady.  Olona folo no efa nohenoina : nisy mpanao politika, nisy olon-tsotra, nisy miaramila tao anatin’izany. Mbola mitohy tanteraka ny fanadihadiana ary misy lalana iray farany izay arahin’ny manampahaizan’ny “police judiciaire” amin’izao fotoana ka mety hahatongavana any amin’ireo tompon’andraikitra amin’iny raharaha iny. “Ny zava-nisy dia, rehefa tsy tafiditra tao amin’ny kianjan’i Mahamasina mihitsy ireo olon-dratsy, napetrany fotsiny tao anaty ‘sachet’  teny Anosy ireo fitaovam-piadiana, grenady. Tsikaritr’ireo mpivarotra izany ary rehefa hariva ny andro dia nodakan’ilay madama iray izay tapa-tongotra nony avy eo, rehefa nirefotra izany” raha ny fanazavan’ny Jeneraly Ravalomanana. Voaresak’io farany ihany koa ny momba ny resaka an-gazety fa nametra-pialàna ny tenany. “Tsy tena hoe fametraham-pialàna angamba no hilazàna azy. Nanoratra taratasy tany amin’ny Filohan’ny Repoblika aho ary nanazava fa vonona aho ny hanome ny toerako amin’izay olona handimby ahy, am-panetrentena, fa tsy hanao fandrahonana hikomy kosa toa ny sasany mba hitazonana ny toerany” raha ny fanazavany. Notsipihany fa tsy mbola nisy fihaonan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana mihitsy aloha hatreto ka manomboka mampametram-panotaniana ny maro, indrindra ny amin’ny pôlitika hitondrana ny fiarovana amin’ity fanjakana vaovao ity. Raha ny zava-misy tokoa dia efa dimy taona izao ny ankamaroan’ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana no teo amin’ny toerany. Ny andraikitra toa izany anefa dia eo amin’ny roa na telo taona eo.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser