- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversGrenady tetsy Anosikely : Miantso ny fanjakana ny rain’i Kevin sy Andry

Grenady tetsy Anosikely : Miantso ny fanjakana ny rain’i Kevin sy Andry

Vontom-pahoriana tokoa ny rain’izy roa lahy niresaka tamin’ny mpanao gazety.

Araka ny efa nitaterana azy tamin’ny gazety dia namoy ny ainy ihany koa ny zokin’i Kevin antsoina hoe Andry. Samy nipoahan’ny grenady teny Anosikely izy roalahy ireo sy ny anabaviny iray tamin’ny sabotsy. Ilay zandriny moa maty teo no ho eo ary efa vita ny fandevenana azy. Naratra mafy kosa ilay zokiny. Notsaboina andro vitsy teny amin’ny HJRA izy. Ny vaovao no nahalalana fa tany amin’ny tratrany no voadona mafy ary na dia nanao izay ho afany aza  ny mpitsabo dia tsy tana ihany ny ainy.

Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny rainy dia nilaza mazava izy fa fanampiana avy amin’ny fanjakana sy ireo izay malala-tanana no heveriny fa hanarina azy ireo amin’ny fiainana. Mandefa “SOS mihitsy izy ary niteny fa “ankininay amin’ny fanjakana sisa ny ho avinay”. Mavesatra loatra ny alahelo mitambesatra amin’izy ireo. Mpivarotra lasopy amoron-dalana no antom-pivelomany. Amin’ny sabotsy izao no hotanterahina any Alasora ny fandevenana an’i Andry Rasolofoson, 7 taona.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser