- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversGrevin’ny mpianatra eny Vontovorona : « Tsy mpianatra ireo mpisotasota », hoy...

Grevin’ny mpianatra eny Vontovorona : « Tsy mpianatra ireo mpisotasota », hoy ny lehiben’ny CIRGN

Dia mbola raikitra indray ny fifanjevoana teny Vontovorona, omaly, teo amin’ireo mpianatra nanao fitakiana sy ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmoreg.

Raha fiara tsy mataho-dalana vitsivitsy monja no tonga teny ny talata, kamio be 2 sy fiara tsy mataho-dalana maromaro no nitandro ny filaminana teny an-toerana, omaly. Nampitomboina ny isan’ireo mpitandro filaminana nalefa teny, ho fiarovana ireo fananan’ireo olona manodidina ity toeram-pampianarana ambony ity, hoy ny fanazavana nentin’i Kol. Rakotomahanina Florens, lehiben’ny CIRGN. Araka ny fanazavana azo, nanam-pikasana ho eny Ankatso ireto mpianatra mpanao fitakiana ireo, saingy voasakan’ireo mpitandro filaminana. Voalaza moa fa manakorontana ny fiainam-bahoaka izy ireo raha mivoaka ny fari-pampianarana. Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina teo no velona ny tora-bato, toraka lakrimozena ary ny fifanenjehana, hatrany anaty « campus » tany. Nisy mihitsy aza ny savahao nataon’ireo mpitandro filaminana, hatrany amin’ny trano fonenana tany, araka ny voalazan’ny solontenan’ny mpianatra. Ambonin’izany ny fisian’ny daroka sy fisintontsintomana ireo mpianatra, hita teny an-toerana. Vokany, mpianatra 8 no nosamborina, ary zandary iray no naratra teo amin’ny lohany. Nisy koa ireo mpianatra naratra tamin’ny fidarohana natao tamin’izy ireo.

« Tsy mpianatra ny sasany ». Mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana. Misy amin’izy ireo no tsy mpianatra akory fa olona nokaramaina hisotasota sy hanararaotra fotsiny, araka ny voalazan’ny Lehiben’ny CIRGN, omaly, raha nampiantso mpanao gazety izy. Tsy mihevitra ny hitana ireo mpianatra nosamborina ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Rehefa vita ny fanamarinana natao tamin’izy ireo dia navela nody izy, hoy hatrany ny fanazavana. Nanamafy koa ity tompon’andraikitra ambony ity fa tsy nisy io fidirana tao anatin’ny ny faritry ny oniversite io. Fanosehana ireo mpianatra hiverina ao amin’ny faritra misy azy no natao. Na dia izany aza, miantso ireo mpianatra mba hanao ny fitakiany am-pilaminana, raha tsy izany dia tsy maintsy handray andraikitra foana izy ireo, hoy hatrany ity lehiben’ny CIRGN ity. Efa misy ny fifampiresahana eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’izao fotoana izao, araka ny vaovao re hatrany.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser