
Efa-dahy no voarohirohy hatreto, ary voasambotry ny pôlisy tetsy Andraisoro sy teny Anosizato, ary nadoboka am-ponja ny alatsinainy teo.
Ny andron’ny 17 septambra lasa teo, mpamongady enta-madinika iray, tetsy Ankerana Ankadindramamy no niharan’ny halatra niharo vaky trano, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any. Nahavita ny asa ratsiny tanteraka ireo olon-dratsy tamin’ireo fotoana io satria dia nigalabona tanteraka nibata izay zakany tamin’ireo entana rehetra tao an-tsena rehefa avy nahavita nanapitsoka ny varavarana. « Vary dimy kitapo, lafarinina iray kitapo, siramamy iray kitapo, menaka dimy bidao, savony 12 baoritra », ireo no very nandritra io vaky trano ary niaraka tamin’ireo ny volabe manodidina ny roa tapitrisa ariary tany ho any. Nanao ny asany avy hatrany ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahavalo, niandraikitra ny raharaha ary nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy nahavita ny asa ratsy. Andro vitsy taty aoriana, voasambotra tetsy Andraisoro ny roa lahy izay noahiahiana fatratra ho isan’ireo nandray anjara tamin’izany vaky trano izany. Rehefa nandeha ny famotorana azy ireo dia niaiky ny heloka vitany izy roa lahy ary nanoro ny mpiray tsikombakomba taminy, izay nametrahana paikady sy nosamborina teny Anosizato ny ampitson’ny nisamborana azy roa lahy.
Tsara homarihina fa tena nandray anjara tamin’ity famakiana tranombarotra ity izy efatra ireto, hoy ny mpanao famotorana, satria anisan’ny porofo nitohaka tamin’ny tendan’izy ireo ny ambin’entana avy nangalarina tao amin’ilay magazay, sarona tany an-tokantranon’izy ireo. Ambin’entana izay efa naverina avy hatrany tamin’ny tompony moa. Ny vola kosa tsy fantatra hoe nankaiza na nankaiza.
Nentina teo anivon’ny Fampanoavana ny andron’ny ny alatsinainy teo moa izy ireo ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L