Tsy niandry ela fa taorian’ilay fanafihana mitampiadiana tao amin’ity tranombarotra mpamongady iray tao Tanambao V, notafihan’ny jiolahy 11 ity, dia tratran’ny polisin’ny FIP Toamasina teo am-pirevena ny 5 tamin’izy ireo.Tsy nampoizin’ireto jiolahy mantsy, fa azo sary tamin’ny fakan-tsary miafina avokoa ny fihetsika nataon’izy ireo sy ny endriny ary ny zavatra nataony, ka mora tamin’ny polisin’ ny FIP no nisahana ny raharaha momba ity fanafihana ity.
Raha ny zava-nisy, ny zoma antoandro nitrangan’ny fanafihana tranombarotra mpamongady io, dia efa mahay makatahaka ireo sary mihetsika any ivelany ireo jiolahy nanao azy. Nisy aloha ny telo lahy nandeha mialoha toy ireny hividy zavatra ireny nanara-maso ny zava-misy tao anatiny. Dimy minitra taorian’izay raha nahazo toky ireo efa-dahy haka ny vola dia tonga niaraka tamin’ny basy PA iray,ary avy hatrany dia nitifitra ho fampitahorana ny tao anatin’ilay tranombarotra mpamongady zava-pisotro. Lasa tamin’izany ny vola 10 tapitrisa ariary eo ho eo, araka ny fanazavana azo, ary taorian’izay izay tsy naharitra iray minitra monja dia efa vonona ihany koa olona efa-dahy samy nitondra moto scooter niandry naka ireto efa-dahy ireo teo ivelan’ilay tranombarotra. Nandritra izany, dia niezaka nanary dia ireo tao an-trano ireo telo lahy voalohany sy nanao ho voa mafy ihany koa, ary niala moramora izy ireo taorian’izany.
Tao anatin’izay anefa dia azo sary tamin’ny “camera” maromaro miafina tao amin’ity tranom-barotra avokoa ny momba ireto jiolahy ireto; izay tsy nisaron-tava nandritra izany. Tsy ela taorian’ny fahazoan’ny FIP ny sarin’izy ireo, dia raikitra ny fikarohana manerana ny Tanàna. Ny harivan’ny zoma nitrangan’ny fanafihana ihany satria tsy mbola niova akanjo ireo jiolahy sasany dia nambakain’ny akanjo nanaovany teo am-pirevena ka noraisim-potsiny tao amin’ny trano fisotroana ireo tao amin’ny lalam-baovao Tanambao V tsy lavitra akory ny toerana avy nanafihan’izy ireo ny antoandro ihany. Nandritra ny fisamborana azy ireo teo imason’ny mpisotro rehetra anefa, dia nanohitra ireto jiolahy ireto, saingy nampiasa ny fahefany ny FIP ka voasambotra ihany. Ny basy fampiasan’ireto jiolahy ireto koa efa tsy tany aminy nandritra izany, raha tsy izany dia raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny FIP sy izy ireo.
Nanome toky ny FIP, fa tsy maintsy ho tratran’izy ireo tsy ho ela noho ny vaovao efa azon’izy ireo ny ambiny 6, satria raha ny vaovao dia any amin’ny iray amin’ireo mbola tsy tratra ny basy.
Malala Didier