- Publicité -
lundi, mai 5, 2025
AccueilFaits-DiversGroupe des AS de Talatamaty : Hiverina amin'ny heriny indray manomboka izao

Groupe des AS de Talatamaty : Hiverina amin’ny heriny indray manomboka izao

Hanakoako eny amin’ny Food Court Aérovillage Talatamaty ny alahady ho avy izao ny sanganasan’ny GASTA toy ny « Manapi », « Sipa avy aiza ary izy ty », « Fotetaka », « Isaraka ». Isan’ny  mpiangaly mozika Rap niforona teny amin’ny Kaomina Talatamaty tamin’ny taona 1998 ny tarika Groupe des AS de Talatamaty fantatry ny maro amin’ny hoe GASTA. Efa namoaka rakintsary miisa 4 sy namokatra hira manodidina ny zato izay efa tsy zoviana amin’ny mpankafy maro na eto an-toerana na any ivelany.

Mpikambana dimy mianadahy no mandrafitra ny tarika ahitana Andriambavilanitra iray, Davy, Tantely, Haja, Rajim izay mpitarika ny gropy Gasta. Somary nisy fotoana nangina kely fa teo ihany ary namokatra hira iray isan-taona araka ny voalazan’i Rajim ihany. Matotra ary mafonja ny mozika izay nomena ny mpankafy, tsy ravan’ny fotoana sy taona fa teo ihany, tsy olana amin’ny maha Raim-pianakaviana ny mozika atao fa  » efa kôpy ny vady aman-janaka, hafatra io, mozika io, tsy olana fa hafatra ampitaina na somary maherisetra aza ». Hoavy ny vokatra manaraka izay iarahana amin’ny trano mpamokatra Ny Andrisoa izay mpamokatra matihanina atramin’izay. Maro moa ireo mpihira ankehitriny no mangataka fiaraha-miasa sy hira ihany koa amin’ny tarika Gasta raha tsy iteny afatsy THT sy Miangaly amin’ilay hoe « Na dia tiana aza ny hiaraka ». Efa miverina amin’ny tanjany indray ankehitriny ny tarika ka nanomboka ny taona vaovao teo izany fiakarana an-tsehatra izany ary hitohy ny alahady hoavy izao, izay iarahana amin’ny tarika Tempo Gaigy ka anasana ny mpankafy ho avy marobe.

T.M

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici