Lehilahy iray, 50 taona no voatery notapahana ny mahalehilahy azy noho ity farany nihitsoka tanaty tavoahangy, tany Honduras. Efatr’andro be izao no niaritra fangirifiriana ity lehilahy ity raha nikasa ny haka fahafinaretana tamin’ny alalan’ny tavoahangy. Nataony ho solon’ irony karazana kilalao natokana ho an’ny olon-dehibe irony mantsy ity tavoahangy ity, nanitrihany ny mahalehilahy azy. Zava-doza anefa no niseho taorian’izay fa nihitsoka tao anatiny tao ity taova ity, ary tsy nety nivoaka intsony. Tsy sahy niteny na tamin’iza na tamin’iza ny olany anefa ranamana tamin’izay fotoana izay fa niaretany teny foana. Eny fa na dia efa nanomboka niha nivonto aza ity mahalehilahy azy ity. Tao anatin’ny efatra andro maninjitra, rehefa hitany fa tsy tantiny intsony ny fanaintainany dia izay ranamana vao nanapa-kevitra ny handeha hamonjy toeram-pitsaboana. Indrisy fa tara loatra anefa, raha ny nambaran’ny dokotera nitsabo azy. Efa tsy avotra intsony ilay taova ka tsy maintsy tapahana mba tsy hanimba ny toe-batany iray manontolo. Taorian’ny fandidiana azy, raha ny nambaran’ilay dokotera mpitsabo dia afaka mivalan-drano soa aman-tsara tsy misy manohintohina ny lehilahy. Saingy kosa, tsy afaka ny hiray intsony.
m.L