- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversHafari Malagasy : Kasaina hosamborina indray ny filohany

Hafari Malagasy : Kasaina hosamborina indray ny filohany

Eto Anosizato aho no nipetraka ary mba liana tamin’ny zava-nitranga teto an-tanàna ka nijery toa ny olon-tsotra rehetra. Nifanandrify tamin’ny hetsiky ny mpitari-posy izany ary vetivety foana dia niely ny feo fa izaho no tao ambadik’ireny korontana ireny”, hoy ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, Atoa Jean Nirina. Raha ny henon’ito farany dia misy ny fikasàna hisamborana azy amin’izao fotoana izao, noho izany antony izay heveriny fa tsy marim-pototra na ny kely akory aza. “Fanendrikendrehana sy fanalam-baraka ahy sy ny fikambanana Hafari Malagasy izany. Tsy fikambanan-jiolahy izahay fa fikambanana mahakasika ny zon’olombelona. Sanatria izany hoe izahay no hikarakara sy hiditra amin’ny asa fanakorontanana. Fikambanana efa manana ny maha-izy azy eo amin’ny lafiny maro izy io”, hoy hatrany ny Filohan’ny Hafari Malagasy. Manentana ny tompon’andraikitra izay mety ho voakasika, araka izany, izy mba hanadihady tsara vao mandray fanapahan-kevitra…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser