- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahavelona Foulpointe : Haharitra herinandro ny fanamarihana ny fetim-pirenena

Mahavelona Foulpointe : Haharitra herinandro ny fanamarihana ny fetim-pirenena

Ny 20 jona 2024 lasa teo no efa nanomboka nanamarika ny fankalazana ny nahazoana ny fahaleovan-tena ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Lalao ara panatanjahan-tena ho an’ny tanora, toy ny  baolina kitra, basket-ball, ary tsipy kanetibe izay  kaominina no tompomarika amin’ny fikarakarana.

Omby lehibe iray no amboara homena ny laharana voalohany amin’ny lalao baolina kitra raha toa ka fanamiana  sy baolina kitra kosa no homena ny laharana faharoa. Ny andron’ny 26 jona no hatao ny lalao famaranana eo amin’ny kianja ben’ny Foulpointe.

Ny 22 jona lasa teo no nanatontosana ny diaben’ny firaisan-kina miendrika fanatanjahan-tena, hazakazaka nandraisan’ny vondron’olona sy ny kaominina anjara nanodidina ny tanan’ny Foulpointe.

Ankoatra izay,efa fanaon’ny kaominina hatrizay ny fizarana nofon-kena mitampihavanana ka nampanantena ny ben’ny tanana fa hitombo ny isan’ny omby maty amin’ity taona ity ary tsy ho latsa- danja ihany koa ny afomanga eo amin’ny plage foulpointe.

Marihina fa  nanomboka ny Alatsinainy teo no nisokatra ny podium eo amin’ny stade lehibe handraisan’ireo mpankanto avy eto Foulpoine anjara amin’ny fanentanana sy tsinjaka mandra maraina izay hatao ny faha 25 jona . Ankoatra izay ny fizarana arendrina ho an’ny kilonga sy radio crochet hamalifaliana ireo ankizy sy hitazaina azy ireo amin’ny alalan’ny fanontaniana mahakasika ny tantaram-pirenena.

Ny kaominina no tompomarika voalohany amin’ny fampandrosoana ny tanana hoy Atoa Ranaivoson Sampy Elin ben’ny tanan’ny kaominina Mahavelona Foulpointe, efa miroso tsikelikely amin’izany ny fiadidina ny tanana ary miandalana ny fanamboarana ny lalana any amin’ireo fokontany avokavoky ny kaominina, isan’izany ny fanokafana ny lalana mirefy 12 km miainga eo amin’ny RN5 mampitohy ny fokontany Ambohimarina amin’ny fokonany Saranaina.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici