
Maro ireo mpianatra ankehitriny no milofo sy manaraka ny taranja Allemand, tsikaritra fa ifanotofan’ireo tanora Malagasy mihitsy ny mankany amin’ity firenena ity aorian’ny fahazoana ny diplaoma bakalorea. Miantomboka amin’ny resaka “aupair” izany mba hizarana ny fiteny Allemand avy eo misafidy ny fianarana izay mety aminy, ao kosa ny tonga dia miditra amin’ny sehatry ny asa. Manampy betsaka amin’izany fivoahana makany amin’ny firenana Alemana izany ny fianarana ny teniny dieny mbola any amin’ny lisea ny mpianatra, ankoatra izay misy fenitra takiana rahateo ho an’ireo tanora izay te ho any.
Anto-pisian’ny fikambanana “Notopia for education” ny hanome ny tosika ny tetikasa mahakasika ny fanabezana aty amin’ny tany andalam-pandrosoana, indrindra hanampy ireo ankizy mikasa ho any Allemane na hianatra na hitoetra mihitsy, any Alemana rahateo no misy ny foiben’ity fikambanana ity. Efitrano fianarana iray ao amin’ny Lisea André Resampa no nanombohan’izy ireo ny asany, navaozina ity efitrano fianarana ity natokana ho an’ny taranja Allemand. Ankaotra ny Efitrano natao hampianarana azy dia natao hifaneraseran’ny klioba Allemand koa izy ity mba hisian’ny fifanakalozana ara-kolontsaina izay tohanan’ny fikambanana SchoolNet Madagascar. Tanjon’ity farany kosa ny fametrahana sy fampiasana ny teknolojia vaovao eo amin’ny lafiny fanabeazana. Hanana tombony manokana noho izany ny mpianatra Allemand ao amin’ny LARA satria afaka hifanerasera amin’ireo mpianatra any ivelany avy hatrany izy ireo amin’ny alalan’ny SchoolNet Madagascar sy ny fikambanana “notopia for education”
Fanombohan’ny fiaraha-miasa izao hetsika izao hoy Michael Strempel teratany Alemana, tompon’andrikitra voalohany ny fikambanana, mbola maro ny asa miandry ary ny manetsa be mbola ho avy, fantatra fa hanolotra solosaina sy “video projecteur” ho an’ny efitrano fianarana Allemand ny fikambanana amin’ny taona ho avy raha ny fanazavany. Tsy ireo mpianaratra Allemand ato amin’ny lisea ihany no hahazo tombony hoy Kassam proviseran’ny Lisea fa ny sekoly iray manontolo mihitsy, ary antenaina ny hitozan’ny fiaraha-miasa tahaka itony fa manampy betsaka amin’ny ho avin’ny ankizy.
Andry N.