- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversHain-trano etsy sy eroa : Tokony samy handray ny tsirairay

Hain-trano etsy sy eroa : Tokony samy handray ny tsirairay

Ny Lt-Colonel Ramanoara Francky, lehiben’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo.

« Ady iraisana ary mbola ratsy lavitra noho ny mpangalatra ny hain-trano » hoy ny Lt-Colonel Ramanoara Francky, lehiben’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo. « Noho izany tokony hifampatoky isika, hahay hiara-hiasa, na ianareo fokonolona na izahay mpamonjy voina, mba ho fiarovana ny fananantsika. Raha haingana mantsy ny fiantsoana anay  amin’ny alalan’ny 118 dia ho haingana ihany koa ny fahatongavana sy ny fifehezana ny afo mpandrava ». Fa ankoatr’izay dia tokony samy handray ny andraikiny tandrify aloha ny tsirairay avy, hahafahana misoroka ny loza. « Tato ho ato mantsy dia hita fa saika vokatry ny « court-circuit » ateraky ny herinaratra avokoa no mahatonga ny loza. Tokony handray fepetra mifanandrify aminy araka izany ny tsirairay. Ny manana fitaovana efa antitra, tokony hanolo azy, ary ireo vao hanorina dia hisafidy ireo fitaovana manara-penitra amin’ny resaka herinaratra (NF C 15-100). Fa eo ihany koa ny tsy famonoana ireo fitaovana rehetra mandeha herinaratra rehefa hialan’ny trano na ny fanapihana « disjoncteur » raha maharitra izany fialàna izany. Ny tokantrano rehetra ihany koa dia ampirisihana mba hananana famonoana afo na « extincteur » ao. Izany dia hahafahantsika misoroka sahady ny loza » hoy hatrany izy. Marihana moa fa ambonin’ireo famonjena sahan’izy ireo andavanandro dia saika « consigné » na mijanona an-toby avokoa ireo mpamonjy voina eto an-drenivohitra ny andron’ny fifidianana solom-bavambahoaka, ny fetin’ny Pentekôty ho avy izao ary ny fetim-pirenena. Izany dia ahafahana manatratra ihany koa ny vinan’izy ireo, ny amin’ny fiarovana sy ny famonjena ny vahoaka sy ny fananany.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici