Koa satria nisy ny aina nafoy, dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana lalina momba ny hain-trano nitranga tetsy Ankasina. Miompana indrindra izany amin’ny hamantarana izay tena niavian’ny afo ary indrindra koa tsy maintsy mipetraka hatrany ny ahiahy sao mba nisy ny ninia nandoro ny trano. Omaly ary dia efa nisy ny olona nalaina ho an’ny fijoroana vavolombelona mba hahazoana miditra lalindalina amin’ny fanadihadiana. Loharanom-baovao teo anivon’ny pôlisy no nahafantarana fa nisy olona efatra nohenoin’ny BC ny fanazavany momba iny hain-trano iny.
D.R