Ny alin’ny talata hifoha Alarobia tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nisehoan’ny loza tao Andranomafana, mbola ao anatin’ny fokontany Ampatana no misy ity toerana ity. Trano fivarotana zava-pisotro iray no voalaza fa niantombohan’ny afo. Tsy fantatra mazava ny tena antony niavian’ny afo fa afo efa mijoalajoala no nanaitra ny manodidina. Niezaka nanao izay ho afany ihany ny fokonolona namono ny afo saingy efa nihitatra loatra ny afo no mifanetinety be loatra ireo trano manodidina ka sarotra ny nifehy azy. Ora iray taorian’ny firehetan’ny afo no tonga teny an-toerana ny fiarabe mpamonjy voinan’ny kaominina saingy mbola sahirana koa ity fiara nitady toerana nidirana noho ny fahateren’ny toerana nitrangan’ny loza.
Olona efa-mianaka no maty kilan’ny afo, olona avy amin’ilay trano fivarotana izy ireo raha ny volazan’ny angom-baovao. Renim-pianakaviana iray vao tera-bao nivoaka ny hopitaly ny marainan’ny nitrangan’ny loza ny iray. Ilay zaza mena vava kosa rehefa tsy hita izay namonjena azy dia natsipy avy eny ambaravaran-kely ho fanavotana ny ainy saingy nihantona teo ambony hazo nifanakaiky tamin’ilay trano ka teo no maty kilan’ny afo. Ankizy mianadahy 7 taona sy 8 taona ihany koa no namoy ny ainy kilan’ny afo, mpianakavy avokoa izy ireo. Ankoatra izay, rangahy be iray no may tanteraka ny tenany, ny tanany sy ny faritry ny tarehiny raha namonjy ireo olona tao amin’ilay trano niandohan’ny afo io. Tsy nisy azo noraisina intsony tao amin’ireo trano ireo, 14 isa no trano rava kilan’ny afo niaraka tamin’ny fananana iray manontolo. Vao maraina dia tonga teny an-toerana ny fiadidina ny tanana sy ny solombavambahoaka nitondra izay voatsirambin’ny tanana nentina nanampiana ireo tra-boina.
Andry N.