- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversHain-trano : Trano hazo sy biriky am-polony maro indray kila tetsy...

Hain-trano : Trano hazo sy biriky am-polony maro indray kila tetsy Anosibe

Nirehitra indray Anosibe omaly ! Trano am-polony maro, manodidina ny 30 any ho any no indray kila hotohoto omaly hariva tetsy Anosibe, teo amina faritra fantatry ny rehetra eny an-toerana amin’ny hoe “Ziona”, izay avy amina fiangonana iray eny an-toerana. An-jatony any ho any ihany koa ireo tsy manan-kialofana. Voalaza fa misy hoe mbola ankizy tavela tao anatin’ity trano ity, araka ny filazan’ireo mponina teny an-toerana saingy hatreto dia mbola tsy voamarina ny mahakasika izay. Tsy nahitàna tompon’andraikitra afaka manamarina na mandiso izany rahateo teny an-toerana hatramin’ny ora nialànay teny.

Tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any no nitranga ny loza, raha ny angom-baovao azo teny an-toerana hatrany. “Trano hazo iray, any ambony any (ndlr  any andrefana indrindra)  no niatombohan’ny afo. Nitatra tao anatin’ny indray mipi-maso ka izay zaka sisa nentina nanavo-tena ” hoy ny fitantaran’ity renim-pianakaviana iray, izay isan’ireo tra-boina tamin’ity loza ity. Ilay renim-pianakavina izay mbola isoritana fitaintainana mafy mahakasika ireo ambin’ireo ankohonany,  izay mbola tsy hitany. Miezaka miaro fatratra ireo ambina entana sisa avotra sy zakany ny tanany : labatra kely iray, kidoro ary sakaosy feno lamba amin’ireo mpanararaotra. Ny zaza eny an-trotrona ihany.

Misafotofoto be ihany ny resaka mandeha eny en-toerana mahakasika ny nahatonga ity trano hazo iray nirehitra voalohany ity : ankizy nilalao nampirehitra afo ny an’ny sasany, ny hafa kosa nilaza fa afo saika haninginana dia nianjera. Fa ny iraisan’ny rehetra dia hoe afon-tsaribao tsy voafehy ka nahazo ilay rindrina hazo maina ary nitatra avy eo. Nampian’ny rivotra harivariva ihany koa ka vetivety teo dia nandripaka tanteraka ireo trano am-polony maro. Sarotsarotra rahateo ihany koa ny famonoana sy ny fifehezana ny afo, eny fa na dia efa fiaraben’ny mpamonjy voina dimy  aza no tonga teny an-toerana, fotoana vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza. Ny antony, tsy misy afa-tsy lalan-tokana iray, elakelan-trano tokony ho 50 metatra any monja no ahafahana miditra ao amin’ilay toerana. Hatramin’ny ora nialàny teny an-toerana, tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any, dia trano maromaro no mbola mirehitra saingy efa voafehy tsy hitatra kosa ny afo.

Raha ny mikasika ireo niharam-boina kosa dia fantatra fa mpiray vodirindrina mahatsapa adidy amin’ny fiaraha-monina no mandray sy mampiantrano azy ireo hatreto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici