- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversHaino aman-jery : Nandefasana vadintany ny Sky One

Haino aman-jery : Nandefasana vadintany ny Sky One

Hatairana ny an’ireo mpiasa tao amin’ny foiben’ny Sky One raha nahita ny savorovoro tao ampiasana ny zoma lasa teo. Tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny vadintany ny voalaza fa tompon’ity orinasa ity teo aloha mba hitaky izay lazainy fa zo-ny tsy nohajain’ny mpitantana izany ankehitriny na ny orinasa CNC. Fidinana izay nanomezan’io milaza fa tompon’ny orinasa io 48 ora ho an’ny orinasa CNC, araka ny voalazan’ny vadintany, hanatsaharany ny fampitana ny sary sy ny feo ataon’ny Sky One. Nitranga izany rehetra izany noho izao antony manaraka izao, araka ny fanazavana.

Nisy ny fifanarahana nataon’ny CNC sy ny tompon’ny “licence Sky One” fa hofaina ary hampiasaina ity fahitalavitra sy onjam-peo ity, dia zara raha nandoa ny hofany ny CNC. Voalaza aza fa nisy mihitsy ny fanomezana taratasim-bola tsy nisy antoka ka nahatonga ny banky iray hamerina izany. Efa betsaka ny taratasy nalefan’ny tompon’ny licence Sky One tamin’ny mailaka ho an’ilay orinasa CNC,nefa sady tsy nahazoam-baliny izany no very momoka fotsiny. Ankehitriny, tsy maintsy nampiakatra ny raharaha teny amin’ny fitsarana ny tompon’ny “licence Sky One” ka nahatonga ny fitakiana famerenana azy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici