Manoloana ny haintrano mahatsiravina ka naharavina niseho tao Amboanio, ao an-tampon-tanan’i Farafangana ny voalohan’ny volana novambra teo ka naharavana trano 80 mahery dia nidina tany an-toerana nanolotra fanampiana ho an’ireo olona tra-boina noho io loza io ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Jeneraly Richard Rakotonirina ny alakamisy teo. Fianakaviana an-jatony no hizarana ireo fanampiana ahitana vary, savony, menaka, voamaina. Misy ihany koa ny fitaovana ilaina amin’ny andavan’andro toy ny harato fanjonoana miisa 150 sy ny aron’akanjo fanavotana aina (gilet de sauvetage) miisa 50. Tsiahivina fa raha vao nitranga ity voina ity dia nirodorodo ny miaramila niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ao an-toerana namonjy ireo fokonolona sy nanome fanampiana. Ankoatra izay dia manome fanentanana ny mponina hitandrina amin’ny doro tanety sy haitrano ireo miaramila. Isan’ny antondian’ity delegasiona avy amin’ny fitondram-panjakana ity izay nahitana ny Minisitry ny asa sy ny Asam-panjakana Gisèle Ramampy, izay mpiahy ity faritra ity, koa ny fijerena manokana ny lafiny tsy fandriam-pahalemana izay tsapa fa niha-nitombo tato ho ato, indrindra taorian’ny fahavakisan’ny fonja tao Farafangana. Misy araka izany ny tetikady vaovao nambaran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana any Farafangana, hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana, miainga amin’ny fametrahana tobin’ny tafika manakaiky ny vahoaka.
T.M.