Nitrangan’ny haintrano nahatsiravina nahafatesana olona indray tany amin’ny distrikan’i Marovoay, faritra Boeny, ny herinandro lasa iny, ka zaza telo mianadahy kely (5, 7 ary 9 taona) no indray niara-namoy ny ainy, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimasaka. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nitsoka mafy ny rivotra tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, ka vetivety dia niredareda ny afo. Ireto zaza namoy ny ainy anefa tamin’io mbola tavela tao an-trano, satria nanano sarotra tamin’ny mponina teo an-tanàna ny famonjena azy ireo, ka may kila forehitry ny afo tao ireto « tsaiky » tsy manan-tsiny.
Eric Nahoda