- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversHaja mpanao “kidnapping” : Mifonja eto Toamasina amina raharaha hafa indray

Haja mpanao “kidnapping” : Mifonja eto Toamasina amina raharaha hafa indray

Nampisy resa-be teo amin’ny mpitory sy ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny ny nahazoan’ingahy Haja fahafahana vonjy maika teto Toamasina, taorian’ny fisamborana azy tany Antsirabe izay izy no tena ati-doha tamin’ny fakana an-keriny an’i Armane Ali Mohamed na Armane Kamis, ny taona nivalona iny ka nihazonana vonjy maika azy tao Ambalatavoahangy. Antony iray nahatonga ny minisitera ny fitsarana nanasazy mpitsara 05 tsy afaka niasa tao anatin’ny enim-bolana teo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina, sy ny fitsarana ambaratonga ambony Toamasina namoaka didy fampisamborana azy. 

Ankehitriny dia miverina mifonja eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy indray i Haja noho ny raharaha hafa, izany hoe raharaha fitoriana azy nikasa hamono an’ingahy Armane Ali Mohamed tamin’ny fotoana nahatrarana azy, sy fikasana hividy mpitsara tamina vola mitentina 100 tapitrisa ariary nandritra ny fotoana niakarany fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny alatsinainy teo. Raha ny fanazavana azo dia nafindra eo anivon’ny fitsarana Antananarivo ny raharaha fakana an-keriny an’i Armane Kamis nanenjehan’ny fitsarana Toamasina noho ilay didy navoakan’ny fitsarana fandravana tao Antananarivo voaran’ny fitsarana Toamasina ny 12 desambra teo, fa misy raharaha hafa mifandraika amin’izany koa maha-voaroiroy azy eo anivon’ny fitsarana ao Antsirabe.  Ankoatra izany araka ny fanazavana nataon’ny tonia mpampanoa lalana Atoa Lauret Rajaonah Thierry dia efa in-03 saika nosamborin’ny zandary tao amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena izay fandehanany matetika ingahy Haja saingy tafatsoaka hatrany, ny faha-04 vao tratra ny tenany na niezaka ny nitsoaka sy niafina tanaty trano fivoahana ihany aza. Mampitandrina ireo mpanelanela amin’ity raharaha Haja ity ny tonia mpampanoa lalana sy ny fitsarana Toamasina, fa tsy maintsy mizaka ny sazy araka ny lalana manan-kery ny mpanao heloka amin’ity raharaha fikasana hividy mpitsara sy fikasana hamono olona ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici