Mitady hazava ny resaka na dia mbola manjavozavo aza. Mbola mitana ny sain’ny maro ilay tranga niseho ny alatsinainy teo teny Ambohimanarina, momba ireo olona notondroina ho mpangala-jaza ka saika niharan’ny hatezeram-bahoaka. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana mantsy dia fantatra fa nisy olona telolahy nosamborina taorian’iny tranga iny. Nifamahofaho be ihany mantsy ny zavanisy tamin’io andro io. Araka ny fanazavana azo dia handeha hitady ny zanany very teny Ivato izy ireo, taorian’ny nilazana olona iray, izay mpiara- monina amin’izy ireo ihany fa hitany teny io zanak’izy ireo io. Teny an-dalana anefa no sendra ilay savorovoro teny Ambohimanarina iny ry zareo. Nisy olona nanaparitaka feo mantsy fa hoe izy ireo no mpangala-jaza ka nahatonga ny fiakaran’ny hatezeran’ny olona, izay niafara tamin’ny fanimbana ilay fiara nentin’izy ireo ary mety ho nanaraka hatramin’ny ainy mihitsy raha tsy teo ireo mpitandro filaminana niaro. Taorian’ny fanadihadiana, nitsimbadika ny raharaha. Fa hay io olona nilaza ho nahita ny zanak’ireo olona ireo ihany no nangalatra ilay zaza ary nanondro ny namany roa hafa. Tamin’izany no nahafantarana fa nafenin’izy ireo teny amin’ny faritra Ambohijanaka iny ity ankizy kely nangalariny ity, ny alahady teo ary nafindra teny amin’ny 67ha ny alatsinainy hariva. Nilatsaka avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, ka tratra teny ireo namany roalahy, niaraka tamin’ilay zaza, izay avotra soa aman-tsara. Telo lahy izany aloha hatreto no voasambotra tamin’ity resaka ity. Telolahy, izay raha araka ny fomba fiadin’izy ireo, dia mety ho efa rain-dahiny amin’ity resaka hala-jaza ity mihitsy. Satria tokoa dia mety ho tafiditra ao anatin’izay tetik’adin’izy ireo izay ilay fanaparitahana tsaho, entina handrangitana ny olona, izay tsy nahalala akory ny tena zavanisy. Fantatra fa nisy ny fitoriana napetrak’ireo olona saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo teny anivon’ny mpitandro filaminana.
m.L