- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversHala-jaza Andilamena : Mahatsiaro ho afa-baraka ny havan’ilay mpandraharaha

Hala-jaza Andilamena : Mahatsiaro ho afa-baraka ny havan’ilay mpandraharaha

Navotsotra noho ny tsy fisian’ny porofo ilay mpandraharaha voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny hala-jaza izay nalaza be tany Andilamena ny volana jolay teo. Nanao fanambarana avy hatrany ny fianakaviany ary nanambara fa afa-baraka tanteraka noho ny zavatra tsy natao i R.Mamy, ilay mpandraharaha voatonontonona. “Tondro molotra fotsiny dia natao fanadihadiana ny vadiko. Tsy misy fantatray akory izay zaza voalaza fa nisy naka an-keriny tany. Amiko dia tetika maizina entina hanapotehina ny vadiko sy ny fivelomanay havany fotsiny ihany ny zava-nitranga rehetra”, raha araka ny fanazavan’ny vadin’i R.Mamy, ilay mpandraharaha voakasika. Soa ihany fa nanam-pahendrena ny fitsarana tamin’ny fanaovana ny asany ary dia nanome fahafahana vonjimaika ho an’i R.Mamy, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Nambaran’ny havan’io mpandraharaha io fa misy akony be dia be amin’ny asa fitadiavan’izy ireo ity raharaha ity. “Izany mihitsy angamba no tadiavin’ireo mpisompatra, ny hanapotehana anay mianakavy”, hoy hatrany ny fianakavian’ilay mpandraharaha voarohirohy. “Mangataka amin’ny tompon’andraikitra rehetra manodidina izao raharaha izao izahay fianakavian’i R.Mamy ny mba hamelàna malalaka ny fitsarana hanao ny asany ara-dalàna”, raha araka ny tenin’izy izay hita tao anatin’ny fanambarana. Mbola mitohy ny raharaham-pitsarana momba ity raharaha ity ary izany indrindra no anentanan’ny fianakavian’i R.Mamy ny mba handehanan’ny rehetra amin’ny tokony ho izy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser