Raha ny fampitam-baovao azo, dia mipetraka amin-drenibeny ity ankizivavy kely tokony ho 8 taona ity. Nalaina olon-tsy fantatra teo ambany mason’ny olona nitaiza azy izy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola fantatra ihany koa fa hoe naolan’ilay olon-tsy vanona avy eo ka simba tanteraka. Ny sabotsy teo no nitranga izany zavatra mampihoron-koditra izany, tao Ambalavao. Ora-mikija tanteraka ny tany amin’iny faritra iny, ny andron’ireo toe-javatra niseho io. Nitohy mandrak’alina izany, araka ny fanazavana azo hatrany. Asa raha nanararaotra an’izany ity olon-dratsy ity, ka niditra an-tsokosoko tao an-tranon’ireto mpianaka ireto. Mbola revon’ny torimaso avokoa ny olona, ka tsy nahita ary tsy nahafantatra akory ny fomba nidiran’ilay olon-dratsy tao an-trano. Vao tafiditra ity olon-dratsy ity, dia ilay ankizivavy kely avy hatrany no nosintoniny sy nentiny nitsoaka. Efa eny am-babeny vao tsikaritry ny iray trano izany, ka velona ny antsovonjy. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Adiny iray taty aoriana vao hita ny nisy ilay zaza. Tsy tratra teo kosa ilay nangala-jaza, raha ny fampitam-baovao hatrany. Tamin’izay fotoana izay koa no nahafantarana fa, simba tanteraka ity ankizivavikely ity, vokatry ny fanolanana nihatra taminy. Efa mandeha ny famotorana ary olona iray tsy lavitra ny toeram-ponenan’ireto mpianaka ireto, no voarohirohy amin’ity raharaha hala-jaza miharo fanolanana ity.
m.L