- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversHala-jaza : Saika halefa any amina pasitera any Fianarantsoa, hono

Hala-jaza : Saika halefa any amina pasitera any Fianarantsoa, hono

Taorian’ny nahasamboran’ny fokonolona teny Anosibe, ramatoa lehibe iray, saika hangala-jaza, ny alakamisy lasa teo, no nilazany fa saika halefa any Fianarantsoa ilay zaza ary pasitera iray any an-toerana no efa nifanaraka taminy, hono. « Tsy nety nilaza ny momba an’io pasitera io sy ny fifanarahana nataon’izy ireo kosa izy », hoy Rtoa Holy, iray tamin’ireo mponina nahita maso. Natolotra avy hatrany ny pôlisy tetsy Mahamasina, avy eo nafindra tany amin’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona tetsy Anosy. Ramatoa be fotsy volo, efa manjoko, tsy dia mitombon-tsaina firy, no hita teny an-toerana. « Nantanjaka be izy io tamin’izay fa tsy toa izao, satria dia efa nifanenjahana izy, niaraka tamin’ilay zaza teny an-tsakeliny. Mbola teny aminy ilay mofogasy, saika hanambatambazany an’ity zaza ity ary rehefa nasaina nohaniny dia renoky ny torimaso tampoka teo izy », hoy hatrany ny fitantaran’ity ramatoa ity. Nanamarika ny zanak’ity ramatoabe ity fa voan’ny « alzheimer » ity reniny ity ka indraindray, tsy dia mitombona tsara ny sainy. « Efa manaraka fitsaboana izy io ka ny vokatr’io fanafody io no indraindray mahatonga azy hatory tampoka ohatra izay ». Nilaza ihany koa ity zanany ity fa efa ny alarobia lasa teo izy no tsy hita. « Misy tokotanim-piangonana iray izay falehany, nefa tsy tany izy tamin’izay. Ny olona no nampilaza taminay fa voasambotry ny fokonolona teo am-pitabaina zaza izy. Izay fanaony ihany koa fa na ny zanako aza, efa saika nalentiny tany anaty rano », filazana izay nohamarin’ireo pôlisy ihany koa. Voalazan’ireto farany ihany koa fa nanakorontana tao amin’ny « violon » nitazomana azy ity ramatoabe ity. Rehefa naverina nohadidiana ihany koa dia nilaza fa « izy sy ianareo », mihantsy ireo mpitandro filaminana no miaraka mangalan-jaza. Na ny fianakavian’ilay zaza very, na ny teo anivon’ny pôlisy dia niara-nanaiky ny fisian’ilay aretin-tsaina teo amin’ity ramatoa be ity ka navotsotra omaly ihany izy. Eo anatrehan’ny tranga fangalaran-jaza nisesisesy tato ho ato izay, fanontaniana goavam-be no mipetraka eny am-bavan’ireo mpanara-baovao « atao inona ary alefa aiza ? ». Mety hisy sombitsombim-baliny ihany ve tao anatin’izay filazàna izay ? Ary mba aiza ho aiza tokoa moa ny fivoaran’ny fanadihadiana momba ireny tranga ireny, raha tsy hiteny afa-tsy ilay tetsy Ampefiloha.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser