- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHala-jaza sy halatra taova eto Toamasina : “Tsaho niniana nahely…”, hoy ny Tonia...

Hala-jaza sy halatra taova eto Toamasina : “Tsaho niniana nahely…”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna

Tao anatin’ny andro maromaro teo izay, indrindra taorian’ilay zanaka mpiasan’ny fadintseranana 10 taona, hita faty teny amin’ny “Nosy Alagnana” taorian’ny tsy fahitana azy tao anatin’ny telo andro; dia nandeha be teto Toamasina ity resaka hala-jaza sy halatra taova ataon’olon-tsy fantatra ity, izay mazana araka ny feo re fa mitondra fiara 4×4. Nisy vokatra izany ny fiantsoana mpanao gazety nataon’ny governora sy ny OMC ary ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny alakamisy teo.

Maro amin’ireo ray aman-dreny sy ireo vahoaka anefa milaza fa mahalala izany, ka nahatonga ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, nilaza mihintsy fa afaka atao ny mifanantona miaraka amin’ny porofo ireo zavatra tsikaritra na hitan’ny olona eny amin’ny fiarahamonina eny; fa tsy ekena kosa ny fandefasana tsaho sy vaovao tsy marina eny amin’ny tambajotran-tserasera. Misy ny lalana mikasika azy ireny ka handray fepetra mikasika izany ny fitsarana sy ny fitandroana ny filaminana, hoy hatrany ity tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ity.

Na izany anefa dia nilaza ny tranga nisy teto Toamasina tao anatin’ny fari-piadidiany ara-pitsarana, tao amin’ny kaominina Ampasimbe Onibe, koa ity tonia mpampanoa lalana ity. Izay nahita taova, tsinay sy vavony, tao anaty arona “sachet” mainty. Voatery nohazonia am-ponja vonjy maika ireo olona efatra voarohirohy tamin’izany isan’izany ilay pasitera nipetrahan’ilay zaza. Mbola misy olona karohana ihany koa ao anatin’izao raharaha izao hoy hatrany ny fampanoavana. Raha ny fandehany dia nipetraka tao amin’ity pasitera ity ilay zaza fa nitsabo tena. Gaga anefa ny havany fa tsy re intsony ilay zaza taty aoriana, ka tonga nijery azy tao Ampasimbe Onibe ny havany, teo no tsy nahitana azy ary mody gaga koa ilay pasitera. Nihitatra anefa ilay raharaha ka tonga teto Toamasina ireo fianakaviana. 

Nitory teo anivon’ny sampandraharaha ny fikarohana ady heloka bevava teto Toamasina ny havan’ilay zaza, ka raha natao ny fidinana ifotony dia hita tao anatin’ny alan-davanilin’ilay pasitera ny “harona sachet” mainty nisy ireo tsinay sy vavony. Raha natao ny fanadidiana dia nanamarika ny mpitsabo teto Toamasina fa taovan’olona ilay taona hita, ary raha natao ihany ny fanadiadiana dia nitovy tamin’ny sakafo nohanin’ilay zaza talohany tsy nahita azy intsony ny tao anaty vavoniny. Izay no nahatonga ny fisamborana sy nampiakarana ilay pasitera sy olona telo hafa ankoatra ireo mbola karohina fampanoavana, ka avy hatrany dia nampidirina am-ponja vonjy maika taorian’ny fihainon’ny mpitsara mpanao famotoroana ny raharaha, miandry ny fitsarana azy sy ny fisamborina ny namany ary ny tohin’ny raharaha.

Hatreto anefa dia mbola tsy hita popoka ilay zaza nisy namono ity araka ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ihany. Ho porofo iray entina hitazoma ilay pasitera sy ny namany izany, ankoatra ilay taova tao anatiny harona “sachet” mainty hitan’ny mpitandro ny filaminana tao Ampasimbe Onibe.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici