- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHala-jaza tao Andoharanofotsy : Manomboka amin’ny 600.000 ariary ny zaza iray

Hala-jaza tao Andoharanofotsy : Manomboka amin’ny 600.000 ariary ny zaza iray

Tena misy ny hala-jaza ! Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny teo anivon’ny zandary tao Andoharanofotsy no naharavana tambazotrana mpangala-jaza, ny herinandro lasa teo. Saika andiam-behivavy avokoa izy ireo.

Samy nahatadidy ny fahaverezan’ilay zazakely tetsy Soamanatombo ary hita teny Andoharanofotsy avokoa angamba ny rehetra. Tranga izay niparitaka be ihany tao anaty tambazotra sosialy. Taorian’ny fahatratrarana ireo vehivavy miisa telo, voalaza fa tompon’antoka tamin’iny raharaha iny dia niroso avy hatrany tamin’ny famotorana lalina ireo mpitandro filaminana. Ary dingana lehibe no vitan’ireo mpanao famotorana satria niafara tamin’ny fahafantarana ny fisiana tambazotra mpangalatra sy mpivarotra zaza teny amin’iny faritra iny. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary dia nambaran’izy ireo fa manodidina ny enina hetsy ariary ka hatramin’ny efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary ny vidin’ny zazavavikely iray.

Tamin’ny fotoana nisamborana ireto tsy valahara ireto moa dia mbola nisy zazamenavava, vao roa volana monja tao an’ny trano niafenan’ny iray tamin’izy ireo, tetsy Ankadimbahoaka. Zaza izay voalaza fa tsy mbola nahitàn’izy ireo mpividy. Efa samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana avokoa moa ireto mpangala-jaza ireto ary nadoboka vonjimaika eny Antanimora.

Marihana fa ireo zazavavikely  no ataon’ity tambazotra iray ity lasibatra amin’izany. Mbola misy zaza hafa miisa roa aza, hoy hatrany ny fampitam-baovao navoakan’ny zandary, tsy mbola hita ary karohina fatratra amin’izao. Azo heverina fa mbola eny am-pelan-tanan’ireo tsy mataho-tody izany. Tsy mbola tapitra hatreo araka izany ny fanadihadiana mahakasika ity resaka hala-jaza ity ary raisin’ny eo anivon’ny zandary ho vain-dohan-draharaha ny fikarohana ireo olon-dratsy. Iangaviana, hoy izy ireo izay mety ho manam-baovao mahakasika izany tranga izany mba hanambarana izany eny anivon’ireo mpitandro filaminana. Ho arovana ary raisina ho tsiambaratelo ny loharanom-baovao, hoy hatrany izy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici