Ireo nanana ny zaza very indray no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, noho ny siosion-dresaka fotsiny ihany, teny Ambohimanarina ny alatsinainy lasa teo. Soa ihany anefa fa teo ireo mpitandro filaminana niaro sy nanao fanadihadiana ka nahatafavoaka ny marina momba iny raharaha iny. Telolahy no voasambotra, Liva tovolahy, 22 taona, izay isan’ny tompon’antoka tamin’ny fangalarana ilay zaza ary olona roa hafa. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy telo ireto ka nadoboka eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ilay atidoha nikotrika. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona roa ambiny. Isan’ny fanontaniana mivaivay eny imolotry ny rehetra angamba ny hoe, fa inona marina no nitranga ? Araka ny fanazavana azo dia hevitra ambadika noketrehin’i Liva ity resaka hala-jaza ity, mba hanaiken’ny fianakavin’ireo olona ireo ny fiarahany amin’ny tovovavy iray, zandrin’ny renin’ity zaza very. Fiarahana izay nosakan’ny fianakaviana. Tsy nisy resa-bola na zavatra hafa, araka ny feo mandeha, araka izany. Ity tovolahy ity izany no naka sy nanafina ity ankizivavy kely, sahabo ho 4 taona eo ho eo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Efa maty paika ny tetiny, hoe izy ihany no hitondra ny ray aman-drenin’ity zaza ity any amin’ny toerana nanafenany azy, teny Ambohijanaka avy eo teny 67Ha, izay nahavoarohirohy ihany koa ireo olona roa hafa, nampiantrana ilay zaza. Amin’izay fotoana izay, mety hiova ny fijerin’ny fianakaviana ka hanaiken’ireto farany ny fiarahany amin’ny havan’izy ireo. Saingy iny niova tampoka iny ny zava-nitranga. Nivadika ho sakoroka sy fitsaram-bahoaka ary mety ho niafara hatramin’ny fahafoizana aina mihitsy raha nisy kely. Na dia resa-pitiavana tahak’izany aza ny fototr’ilay tantara, efa heloka eo anatrehan’ny lalàna ny fikitihana zaza tsy ampy na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona. Heloka ihany koa ary isan’ny vesatra hanenjehana ity tovolahy ity ny fandranitana amin’ny fifankahalana, saika nahatonga ilay fitsaram-bahoaka, ary ny fanimbana zavatr’olona, izay noho itsy voalohany ity hatrany. Efa tafaverina tamin’ny ray aman-dreniny soa aman-tsara ity ankizivavy kely ity, ary tsy misy ahiana ny toe-pahasalamany, raha ny fantatra hatrany.
m.L