Ny alin’ny nisehoan’ilay hala-jaza teny Ambohipo ihany dia nisy nametraka teny Ambolonkandrina ilay zaza vao 2 volana monja, raha ny loharanom-baovao azo. Araka ny fantatra dia ny talata alina teo, tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any no nisy zazakely napetrak’olona teo am-bavahadin’olona teny amin’iny faritra Ambolonkandrina iny. Ontsa nahare ny feon-jaza nitomany ny olona tao amin’ilay vavahady ka nikarakara an’ity zaza menavava. Eny fa na hatramin’ny fampinonoana azy mihitsy aza. Ny maraina no nankany amin’ny fokontany sy mpitandro filaminana ireto olona ireto nilaza ny fisian’io zaza io. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa ilay zazakely nisy nangalatra teny Ampefiloha, ny talata antoandro teo, ity zazakely ity, araka ny vaovao hatrany. Raha tsiahivina dia ny talata teo no nisy naka an-keriny teo am-pelatanan’ny ankizivavy mpanampy ny zazakely vao 2 volana monja, teny Ampefiloha. Mpianatra amina sekoly ambaratonga ambony teny an-toerana ireo ray aman-dreniny ka entiny manaraka azy any am-pianarana ny zanany kely, miaraka amin’ny mpanampy mpitaiza azy. Tamin’izany indrindra no nojaikon’ny ramatoa, nandeha fiara tsy mataho-dalàna ilay zazakely ary tsy hita nanomboka hatreo. Niteraka resa-be mihitsy ity fangalaran-jaza ity tato ho ato, tsy teto an-drenivohitra ihany fa na hatrany amin’ny faritana aza. Hany ka mampisavorovoro ny sain’ireo ray aman-dreniny, na tena misy ilay izy na tsaho fotsiny, toy ilay nitranga tetsy Soavimasoandro omaly.
m.L