- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversHala-jaza tetsy Ambohimangakely : Tafakatra folo ireo olona nanaovana famotorana

Hala-jaza tetsy Ambohimangakely : Tafakatra folo ireo olona nanaovana famotorana

Niasa mafy ary nanao izay tratry  heriny tanteraka ny zandary teny Ambohimangakely tamin’ny fanavotana ilay zaza nisy naka an-keriny teny an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Azo lazaina fa tao anatin’ny fotoana fohy monja mantsy dia hita ilay zaza, avotra soa aman-tsara sy salama, na dia nahitana mangana kely ihany aza teo amin’ny sandriny. Voasambotra ihany koa tetsy andanin’izay ireo atidoha nikotrika izany, teny Ambohimangakely sy Ambohimalaza. Raha ny momba ireto farany,  fantatra fa ankoatr’ireo tena nandray anjara nivantana, izay nahitana ilay mpiasa an-trano vehivavy naka ilay zaza sy ireo mpiray tsikombakomba taminy : ny nitazona (lehilahy), ny mpitaiza (vehivavy) ary ilay lehilahy saika haka ny vola ho tambin’ny famerenana azy, dia nisy olona hafa notanana sy natao famotorana teny anivon’ny zandary. Anisan’izany, ny mpanera nitondra ilay ramatoa mpiasa an-trano tao amin’ity tokantrano ity, tao ihany koa ireo olona voalaza fa nampiseho fihetsika hafahafa sy nampiahiahy, ka tsikaritry ny fianakaviana taloha sy taorian’ilay fakana an-keriny. Nisy enina izy ireo ka vehivavy ny dimy ary lehilahy efa nahazo taona ihany ny iray. Fantatra moa, araka ny fanazavana azo hatrany, fa mety ho anio izy folo mianadahy  ireto no hatolotra ny  Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici