- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra amin’ny M’vola : Mpiasan’ny Telma nosamborin’ny zandary

Halatra amin’ny M’vola : Mpiasan’ny Telma nosamborin’ny zandary

wwwTompon’andraikitra ambony avy amin’ny faritra Boeny no mpitory. Tovovavy iray  mpiasan’ny Telma etsy amin’ny Galaxy Andraharo kosa no voasambotra taorian’izay. Toy izao ny fandehan’ny tantara. Nihitsoka ny “puce téléphonique”-n’ilay tompon’andraikitra voalaza, ny 24 desambra lasa teo. Nangataka tamin’ny Shop Telma iray tany an-toerana izy ny mba hamerenana an’ilay “puce” mba ho azo ampiasaina indray. Koa satria an-katoky ny Noely ny andro, dia tsy tontosan’ny Shop Telma ilay fangatahana ary nomena laharana vonjimaika aloha ilay olona mba hampiasainy. Ny ampitson’ny noely dia tafaverina soa aman-tsara ilay laharana ary azo nampiasaina indray. Akory anefa ny hagagana teo, satria nanjavona tao anatin’ilay kaonty M’vola ny telo tapitrisa ariary. Nezahina ny nahazo fanazavana avy tamin’ilay orinasa, saingy tsy nahitam-bokany izany. Tsy maintsy niroso tamin’ny fametrahana fitoriana teny anivon’ny zandary amin’izay, ary rehefa nandeha izany dia voamarina fa olona tsy maintsy  manana alàlana hiditra ao anatin’ny “base de données” sy ny “système” ihany no afaka nangalatra io vola io. Niantefa tany amin’ilay tovovavy arak’izany ny fanahiana rehetra. Voamarin’ny mpanao fanadihadian’ny zandary, fa ny andron’ny 24 desambra lasa teo , rehefa nihitsoka izany ilay puce, no nanararaotana nakana ilay vola ary nafindra hainga tany amin’ny laharana iray hafa izany. Karohina koa ny tompon’io laharana io amin’izao fotoana izao noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ilay tovovavy. Ny sampan-draharaha misahana ny heloka avy amin’ny teknolojiam-pifandraisana na “cybercriminalité” no nisahana ny fanadihadiana. Raha ny fanazavan’ny zandary dia nanokatra fanadihadiana sy fanaraha-maso anatiny koa ny Telma manoloana ity tranga ity. Tsy vao voalohany no nisy ny fisolokiana avy amin’ny M’vola toy izao ary efa betsaka ny nametraka fitoriana, saingy tsy nahitam-bokany loatra. Vonoin’ireo mpisoloky ny laharana finday ary tsy azo intsony izy ireo raha vao vita ny asaratsy. Indraindray dia ireo laharana efa tsy miasa intsony ka naverina niasa indray no tena ampiasain’ireo mpisoloky. Dia izay adiresy farany an’izay tompony tany aloha no hitontonan’ny fanadihadiana. Rehefa zohiana izany, avy amin’ity tranga farany ity, dia misy firaisana tsikombakomba amin’ny mpiasa eo anivon’ny M’vola ihany ny fisolokiana. Mila mailo ny rehetra, raha araka ny hafatry ny zandary. Natolotra ny fampanoavana tao Morondava omaly ilay vehivavy voarohirohy tamin’ity halatra miampy fisolokiana ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici