Ny voalohandohan’ny herinandro teo no ravn’ny polisy ny tambajotra iray mpangalatra entana tao amin’ny orinasa hiasàny teny Behitsy. Tamin’io fotoana io mantsy, rehefa nahazo vaovao ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’Alasora, mahakasika ny fisiana andian’olona mampiahiahy, mamoaka an-tsokosokoso fitaovana maromaro tao amin’ny orisana afak’haba iray teny an-toerana. Nandray andraikitra avy hatrany ireo polisy ary nametraka paikady hisamborana an’ireto andian’olona ireto. Marihana fa nitondra fiara mihitsy ireto mpangalatra ireto ary ity farany no nezahina nosakanana. Noho io paikady napetraka io dia tratra ary voasakana soa aman-tsara izany fiara izany. Tsy afa-niala ary sarona tao anatiny ireo fitaovan’ilay orinasa 12 izay miteti-bidy an-tapitrisany maro. Tafakatra folo kosa ireo olona voarohirohy tamin’izany halatra izany izay efa samy voasambotra sy atao fanadihadiana eny anivon’ny kaomisaria avokoa. Nogiazana tao anatin’izany moa ilay fiara nentin’ireto farany nanao ny asa ratsin’izy ireo. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity hoy ny teo anivon’ny polisy. Tato ho ato tokoa dia niha nahazo vahana ity halatra be vava ao anaty orinasa hiasana ity. Vao tsy ela akory mantsy izay no nisambotra olona maromaro, mpiasa tao amin’ny orinasa iray tetsy Andoharanofotsy ny mpitandro ny filaminana. Tratra ambodiomby teo am-pamoahana akora fototra amin-jatony kilao ireto farany. Akora fototra izay tombanana ho aman-tapitrisany maromaro ihany koa.
m.L