- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra anaty « boutique » : Ramatoa telo nangalatra tetsy Analakely M.D

Halatra anaty « boutique » : Ramatoa telo nangalatra tetsy Analakely M.D

Ny roa tamin’izy telo vavy

Samy nidoboka am-ponja avokoa izy telo vavy rehefa nandalo teny amin’ny fampanoavana. Ny roa voalohany dia mpihavana ihany ary tena mivelona amin’ny halatra anaty toeram-pivarotana. Ny paoketran’ny olona mandalo na mividy zavatra anatin’ny toerana no tena hataon’izy roa lasibatra. Efa matetika tratra izy ireo saingy mbola mamerina ihany. Matetika mantsy ireo olona no mamela ny helok’izy roa rehefa averina fotsiny ny vola nalainy tamin’ny halatra, ary mandefa fotsiny tsy misy arakaraka. Toa izay nitranga tamin’ny asabotsy lasa teo : nahazo 450.000 ariary tao anaty paoketra izy roa. Saingy tratra ihany noho ny fahamailoan’ny mpivarotra. Tsy nanasaro-javatra ny tompon’ny vola fa rehefa naverina taminy fotsiny izany dia nilamina ny raharaha. Zatra izay angamba ireo mpangalatra ka dia tapa-kevitry ny namerin-keloka indray. Ny alatsinainy teo indray dia efa niverina nanao ny fanaony izy roa izay fantatra tamin’ny fanadihadian’ny polisy fa mpihavana ihany. Mbola niverina tao amin’ilay trano fivarotana ary nangalatra ny roa tapitrisa ariary tao anatin’ny paoketra. Dia mbola tratra indray koa. Teo anefa dia nanapa-kevitra ny mpivarotra ny nandray andraikitra tamin’ny fanolorana azy roa teny amin’ny polisy. Niaiky ny helony ireo no sady nanazava ny fomba fiadiny ihany koa amin’ny fanatontosana ny halatra. Ankoatr’izay dia mbola nisy ramatoa iray efa nahazo taona koa nosamborina teo Analakely noho ny fisolokiana. Faran’izay tsotra ny ataony : irahiny ny olona izay hitany fa somary tambanivohitra ka mandalo eo Analakely. Iangaviany mba hividy valopy sy taratasy satria izy efa lehibe ka manana olana ara-pahasalamana. Milaza izy fa ambenany ny entan’ireo olona. Kinanjo ao anatin’ny fotoana fohy, raha vao miala teo ny olona dia efa manjavona ny entana ary tsy hita intsony i ramatoa. Maro ny olona efa lasibatr’ity vehivavy nahazo taona ity. Nofandrihana ary voasambotra teo an-toerana ihany. Raha jerena amin’ireo tranga ireo, ny lehilahy sy ny zatovo izany no betsaka manendaka ary ny vehivavy kosa mangarom-paosy sy misoloky. Ahitan-javatra eo Analakely…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici