- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra anaty fiara : Sakaosy nifampisintonana

Halatra anaty fiara : Sakaosy nifampisintonana

Ny harivan’ny talata teo, nitohana tsy nisy ohatra an’izany ny fifamoivoizana teny Andohotapenaka. Ary tsy tara amin’ny fomba fangalarana ny jiolahy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy telolahy nanodidina fiara iray efa nokendreny. Iray teo aloha, iray teo amin’ny ilany havia ary ny fahatelo niondrika tao ambany fiara nivelively kapoaka. Raha nahare izany ny mpamily dia gaga ary nivoaka tany ivelany nijery ilay feo hafahafa. Vao dify izy dia vetivety nisy naka ny zavatra tao anaty fiarany. Nitodika tampoka ilay mpamily ary dia niezaka naka ny fananany. Nifampisintonana teo ilay izy. Ny vaovao voaray dia avy amin’ny olona nandeha fiara nahita ny zavatra niseho. Tsy nisy olona nanampy ilay very fananana fa nitazam-potsiny ny rehetra noho ny tahotra. Fomba tsy vaovoa loatra ity nataon-dry zalahy ity. Efa fanaony hatramin’ny ela izany teny amin’iny faritr’Isotry iny. Dominy mafy ny fiara mijanona. Vao mivoaka ny tompony dia alainy mora fotsiny ny entana. Efa maro ireo voasambotra fa mipoitra indray ny andiany hafa.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici