- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra Ar. 100 tapitrisa : Mbola tsy hita ilay lehilahy, voatazona ny sipany

Halatra Ar. 100 tapitrisa : Mbola tsy hita ilay lehilahy, voatazona ny sipany

Omaly no niakatra teo anivon’ny fampanoavana etsy Anosy ilay raharaha mahakasika halatra volan’ny orinasa misahana fampindramam-bola madinika etsy Mahitsy. Tsy hita hatreto ilay lehilahy izay tompon’antoka. Io farany dia nitondra nitsoaka ny vola mitentina 100 tapitrisa ariary; izay saika harotsaka tao amin’ny banky. Ny sipany no tokony hanatanteraka ny fandrotsahana ny vola, saingy ary izy kosa sendra nandalo teo an-toerana ka mba niangavy azy ilay vehivavy mba hanampy. Teo no nohararaotiny ka raha vao sendra niverina tao amin’ny birao ilay vehivavy satria nisy finday hadino, iny ilay lehilahy no rifatra nitsoaka niaraka tamin’ny volabe. Ny ampitson’iny vao hita ny fiarany izay nariany teny Ambohimangakely. Nivoaka ny filazàna fikarohana azy ary anio kosa no mitohy ny fihainoana ilay vehivavy etsy amin’ny fampanoavana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici