Raharaha isan’ny narahin’ny olona maro teto anivon’ny fitsarana ambarantonga voalohany Toamasina, ilay raharaha fahaverezana fanitso 81 takelaka mirefy 3,50 m, tao amin’ny orinasa “ACF Baticorp”, ny volana novambra ny taon-dasa teo. Taorian’ny nahitana ny zava-nisy mantsy sy nakana am-bavany ilay mpiambina tsy miankina momba ny raharaha, dia nitsoaka ny tenany noho ny hoe fandrahonana ataon’ilay lehiben’ny orinasa taminy. Nanao fikarohana azy anefa ny tompon’ilay orinasa fiambenana ity ka hita tao Amparafaravola ny tenany ka nentina teto Toamasina niatrika ny raharaha nahavoarohirohy azy. Satria moa mpanamboatra ny trano tao amin’ny seranana-tsambo ilay orinasa, dia ny zandary manomakana misahana ny seranana ihany no nanao ny famotorana rehetra ary nitondra ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana Toamasina.Teo anefa dia gaga ny mpanaraka ny raharaha rehetra mikasika ny fanampahan-kevitry ny fampanoavana, ka betsaka ny resa-be nandeha taorian’izay. Tao anatin’izay anefa dia nilaza ilay mpiambina tsy miankina, Ingahy Tsiory, fa tamin’io volana novambra io dia tonga tao amin’ny toerana fiambenany tokony tamin’ny 10 ora alina ny “chef de chantier”, Ingahy Armel, sy “chef maçon”, Ingahy Michel, ary naniraka azy hijerijery ny manodidina sao misy olona mandalo, ka teo izy ireo no namoaka ireo fanitso 81 isa ireo. Voalaza ihany koa fa akaikin’ny tompon’ny orinasa mpanamboatra ireo trano tao amin’ny seranan-tsambo izy roa lahy naka ireo fanitso ireo. Tao anatin’izay anefa dia Ingahy Tsiory mpiambina indray no norahonana sao manambara na mitoroka azy ireo tamin’ny halatra fanitso, izay teny nataony na teny amin’ny famotoran’ny zandary, na ny famotoran’ny fampanovana, ny teo anivon’ny fitsarana ny raharaha ny faran’ny volana avrily teo. Voatery nahiditry ny fitsarana am-ponja vonjy maika aloha ingahy Tsiry mpiambina alohan’ny fivoahan’ny didim-pitsarana ny 17 may ho avy izao.
Malala Didier