Taorian’ny fahatrarana ireo fianakaviana iray manodidina ny olona 50, saron’ny zandary tany amin’ny kaominin’Amboditandroroho Toamasina II, rehefaavy nandevina ny havan’izy ireo matin’ny pesta teto Toamasina, izay efa nalevin’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny fomba ara-pahasalamana tsy iparitahan’ny pesta taminy; dia fantatra indray izao fa mbola nisy trangana halatra faty matin’ny pesta koa teto Toamasina talohan’ilay tranga voalohany io. Raha ny fanazavana azo dia fianakaviana avy any atsimo atsinanana ireto nangalatra ny fatin’ny havany matin’ny pesta ireto, ka nentin’izy ireo an-tsokosoko nihazo ny tanindrazany. Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity dia mbola tao amin’ny toeram-pandevenan’i Manangareza ihany, sy kaoperativa iray ihany no tena mpanao ny zotra Toamasina atsimo atsinanana eto Toamasina. Misy, noho izany, ny firaisana tsikombakomba tamin’io kaoperativa io sy ny fianakavian’ireto manana ny matin’ny pesta. Eo am-panaovana fanadihadiana momba izany ny zandary, ka ho hita eo ny tohiny, satria loza mitatao ho an’ny Malagasy ny zava-misy nataon’izy ireto…
Malala Didier