- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra fiara niharo vono olona : Tafakatra fito ireo voasambotry ny pôlisy

Halatra fiara niharo vono olona : Tafakatra fito ireo voasambotry ny pôlisy

Tsy niandry ela tokoa ireo pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy tamin’ny fanadihadiana mahakasika ilay halatra fiara niharo vono olona niseho tany amin’iny distrikan’Ankazobe iny. Fantatra fa mantsy fa tafakatra fito ny olona voasambotra amin’izao, izay voalaza araka ny tati-baovao nataon’ireto mpitandro filaminana ireto, fa isan’ny nandray anjara nivantana tamin’ilay famonoana ilay mpamily sy ati-doha tao ambadik’ilay halatra fiara. Ny iray tamin’ireo voasambotra no vehivavy, izay nataon’ireo olon-dratsy hanjono tao anaty tambajotra sosialy.

Raha tsiahivina tokoa mantsy dia ny alahady 6 janoary lasa teo no nisy nandefa « publication » tao anaty Facebook fa mitady fiara « Starex » hofaina maika ary nametraka laharana finday. Rangahy iray tompona fiara hampanofaina no namaly ka raikitra tamin’ny vidiny 150.000 ar ny hofany. Ny ampitson’io no nomena fotoana tetsy Andohatampenaka ilay fiara sy ny mpamily, izay tompony ihany. Tamin’izay no nambara fa misy olona roa hafa alaina eny Mahitsy ambonin’ireo olona efatra niara-niala taminy teo an-toerana. Nilamina ny dia teny an-dalana, mandrampaha-tonga teo Andranovelona izay nolazaina fa miala eo amin’ny fito kilaometatra eo ho eo no misy ilay toerana halehan’ireo mpanofa fiara. Tsy tonga tany akory anefa fa tokony ho efatra kilaometatra niala an’Andranovelona no nilaza fa hivoaka hivalan-drano ny iray tamin’ireo mpandeha ka nilaza tamin’ny mpamily no hampijanona ilay fiara. Tamin’izay indrindra, raha vantany vao nijanona iny ny fiara, no  nirohatra nanakenda ilay mpamily ireo nipetraka taoriana raha nitazona azy tsy hihetsika ny teo aloha. Ilay nivoaka kosa no avy hatrany dia namono nahafaty azy tamin’ny tsatok’antsy. Vitan’izy ireo ny asa ratsiny dia nentin’izy ireo nihazo ny kaominina Mahavelona ny razana. Ilay vehivavy natao hanjono tao anaty facebook ihany no nampindrana ny angady nandevenan’izy ireo ny vatana mangatsiaka an’ilay mpamily tanaty ala tsy lavitra teo.

Rehefa tsy niverina tamin’ny fotoana tokony hiverenany ny fiara sy ny mpamily no nanomboka ny ahiahin’ny fianakaviana. Nametraka fitairanana avy hatrany teny amin’ny BC ny fiakanavian’ny tompon’ny fiara. Nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireto farany ary natomboka tamin’ny alalan’ilay resaka tanaty facebook sy ny laharan’ny findain’ilay vehivavy ny fanadihadiana. Tsy ela dia niakatra tany amin’ny fahitàna ilay fiara very, ireo nangalatra ary ireo mpamono olona ka niafara tamin’izao fisamborana izao. Marihana hoy ny polisy fa nisy ny fiaraha-miasa teo anivon’ny zandary misahana iny faritra Ankazobe iny nahafahana nisambotra ity tambajotrana mpanao ratsy ity. Tamin’ny famotorana ireo voasambotra ihany koa no nanoroan’izy ireo ny toerana nanafenany ny vatana mangatsiakan’ilay mpamily tompon’ilay fiara nangalarin’izy ireo. Omaly ihany moa fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto ary inoana fa tsy maintsy hiatrika ireo mpitsara mpanao famotorana alohan’ny handefasana azy any am-ponja. Mila mailo tanteraka tokoa ireo mpampanofa fiara, indrindra fa ireo mpandefa dokam-barotra anaty tambajotra sosialy. Tsy kely lalana mantsy ny ratsy ary efa maromaro ihany izay very fananana sy namoy ny ainy izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici