Hanofa fiara no nifanarahana, kanjo nivadika ho fisolokiana, tsindry ary halatra fiara no niafaràn’izany. Soa ihany, tratry ny velam-pandriky ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy ka noraisim-potsiny, ny faran’ny volana teo.
Fiara iray marika « Hyundai I30 » no nisy nangalatra sy nitondra nitsoaka ny faran’ny herinandro lasa teo. Lehilahy roa, izay milaza fa « legionnaire » sy olona ambony ao amin’ny fitondrana no tompon’antoka tamin’izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, nisahana ny fanadihadiana ary voasambotra tany Tsiroanomandidy izy ireo, rehefa napetraka ny velam-pandrika. Raha ny zava-nisy : niainga avy tamin’ny fifaneraseran’izy ireo tao anatin’ny tambajotra sosialy ny resaka, ny 26 oktobra lasa teo. Tapaka tao anatin’izany fa hofain’ireto roa lahy ireto ho any Foulpointe ity fiara kely ity ao anatin’ny roa andro. Tonga soa aman-tsara teto Antananarivo izy ireo niaraka tamin’io fiara tamin’io fotoana io, saingy tsy nety nandoa ny hofan’ilay fiara. Norebirebeny sy narirariran’izy ireo teny foana izany vola izany ary mbola nofahanan’izy ireo tamin’ny lainga tsara lahatra ilay tompon’ny fiara. Farany dia nentin’izy ireo nitsoaka mihitsy moa ilay fiara. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava sakelika fahatelo tetsy Anosy ilay lasibatra sy very fiara. Nanomboka teo ny fikarohana ireto mpisoloky, mpangalatra fiara ireto. Taorian’ny fanadihadiana sy ny angom-baovao nataon’ireo mpitandro filaminana dia fantatra fa ao an-drenivohitry ny faritra Bongolava ao no nahitàna ity fiara very ity. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo pôlisy ka noraisim-potsiny ireto roa lahy mpangalatra tamin’io fotoana io. Voalaza aza fa efa saika namidin’izy ireo, 12 tapitrisa ariary tao an-toerana izany fiara izany, izay tsy vidin’ilay fiara mihitsy raha eny amin’ny tsenam-barotry ny fiara avy niasa. Nentina taty an-drenivohitra ho amin’ny famotorana moa ireto mpangalatra fiara ireto sy mpisandoka andraikitra ireto, ary fatantra fa hatolotra ny fampanoavana androany. Ilay fiara kosa, taorian’ny fanamarihana rehetra dia efa naverina tamin’ny tompony.
m.L