Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana heloka bevava etsy Anosy, mikasika ilay trangam-panafihana nahazo ny fiara nofain’ny Airmad, ka nahavery izany, ny alatsinainy lasa teo. Olona telo araka izany no voasambotra, izay sokajin’ireo mpitandro filaminana ho andian-jiolahy mitam-piadiana. Ankoatr’ireo anefa, dia mbola misy roa hafa karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Efa tambajotra matanjaka mihitsy ry zalahy ireto ary isan’ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ilay mpamily. Raha tsiahivina dia ny alatsinainy 02 martsa lasa teo, no nisy nanakana tetsy Ankazomanga, tao anatin’iny lalan-dratsy iny fiara iray ; izay nofain’ny Airmad. Niakatra tao anaty fiara izy ireo ary avy hatrany dia nanambana basy ilay mpamily. Nentin’izy ireo nihazo an’Ambohimanarina, Ivato, Ambohibao ary Digue iny ny fiara, rehefa nalatsany teo amin’ny sampanana mankany Ambohitrimanjaka ilay mpamily. Mora anefa no nanaraka ity fiara very ity, satria dia fantatra fa nisy « GPS » izy io ary noraisim-potsiny teny Talata Volonondry. Rehefa natao ny fidinana teny dia tratra tao ity fiara ity, niaraka tamin’ny tompon-trano ary basy iray. Ity olona tratra ity no nanondro ny namany roa hafa teny Ambatofotsy. Tany indray no nahatratrana laharana fiara sandoka roa, taorian’ny fisavana sy ny fidinana teny nataon’ireo mpitandro filaminana hatrany. Tsy vita hatreto anefa, fa mbola misy mpikambana roalahy ao amin’ireo fikambanan-jiolahy mpangalatra fiara io tadiavian’ny pôlisy. Omaly no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ireto telolahy mpangalatra fiara ireto.
m.L